« Taxi-brousse » iray mampitohy an’Antsohihy sy Mahajanga no niharan’ny fanakanan-dalana tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, teo amin’ny PK 434-435 teo amin’ny tanana antsoina hoe Matsaborifaly, ao amin’ny fokontany Antanandava, kaominina Anjiajia, distrikan’ Ambatoboeny, ny marain’ny alatsinainy teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy olona efatra naratra tamin’izany, ny telo mpandeha ary ny mpamily izay nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky ny lohany. Tsy niandry ela ny fandraisana an-tanana nataon’ny zandary tany an-toerana, ka ny andron’io ihany dia nisy telo tamin’ireo jiolahy no voasambotra.
Ny zava-nisy. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any dia nisy andian’olona nitoraka ny fiara. Tora-bato tsy nifankahitana ary nahavoa sy nahavaky ireo fitaratry ny fiara, na ny teo aloha na ireo teo amin’ny ilan’ny fiara nisy ny mpandeha. Izay toe-javatra izay no namparatra ireo olona telo tao anatiny. Teo anatrehan’ny zava-nisy kosa dia voatery tafajanona ilay taxi-brousse ary nohararaotin’ireto olon-dratsy nohodidinina. Ny mpamily avy hatrany noezahin’ireto mpanakan-dalana nofehezina ary tsy nisy fisalasalana mihitsy ny nikapan’izy ireo ny lohany tamin’ny famaky. Naratra mafy vokatr’izany ity farany.
Rehefa voafehy tanteraka ilay fiara dia nararaotra nandroba ny tao anatiny ireto jiolahy. Lasan’izy ireo tamin’izany, hoy hatrany ny fanazavana azo ireo firavaka, vola ary findain’ireo mpandeha sy ny mpamily. Lasa ihany koa ny vola « versement » tany amin’ny mpamily. Rehefa azon’izy ireo izay nilainy dia nitsoaka toy tsy teo ireto farany. Nampandre haingana ny zandary tao an-toerana ireto niharam-boina, rehefa afaka nanohy ny lalany ihany. Ora vitsy taorian’io no niverina teny amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana ny zandary ary nanao savahao ny manodidina. Nanao ihany koa ny fanadihadiana rehetra ka tsy ela dia fantatra ny sasantsany tamin’ireo mpanafika. Telo lahy ireo no voasambotra ny harivan’io tany an-toerana. Nentina avy hatrany natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo farany. « Heverina fa tsy izy ireto ihany no tompon’antoka tamin’io fanafihana io, hoy hatrany ny fanazavana azo tany an-toerana. Efa eo an-dalam-pikarohana ireo namany izahay ary misy ny efa fantatra » raha ny fanazavana hatrany.
Miverina indray tokoa resaka fanakanan-dalana ity tao ho ao izay, indrindra fa amin’iny lalam-pirenena mianavaratra iny. Saika ireo fiara mandeha alina foana no lasibatra tao anatin’izany ary hanentanan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana mba ho mailo sy hanaja hatrany ireo lamina sy fepetra rehetra omen’izy ireo. Ao anatin’izany ny fiarahana andiany na ny fanaovana « caravane ». Raha ity taxi-brousse lasibatra teo Anjiajia ity mantsy, raha ny vaovao azo hatrany dia nandeha irery fa tsy tafiaraka tao anatin’ireo tandahatra fiara niara-niainga taminy.
m.L