“Akatony io raha tena mafy be ianao”, izay no tenin’ity teratany frantsay tompon’ny trano fandihizana “Paradise” tamin’ny fotona nandraisan’ny prefet fepetra nanakatona ireo trano fandihizana telo teto Toamasina, ny herinandro nivalona iny. Mihevitra azy ho manana mpiaro matanjaka angamba ity teratany frantsay ity na ny solontenam-panjakana midina ifotony manao ny asany avy rahonana. Raha ny zava-misy aloha, dia tsy misy sahy manokatra ireo trano fandihizana tsy nanara-dalana ireo ny solontenam-panjakana hafa hatreto fa nanaja ny fanapahana noraisin’ny prefektiora avokoa. Maresaka be ihany koa ny vaovao mikasika ity raharaha ity amin’izao, ka betsaka ireo mpanera mpibizina manao mpanelanelana amin’ity raharaha ity, nefa tsy manaiky hatao sorona ny prefektiora ary mitsinjo ny ho avin’ ny zazavavy sy zazalahy malagasy eto Toamasina tsy ho potiky ny toaka sy zava-mahadomelina ary fivarotan-tena ho an’ny zazavavy na lasa mpanendaka ho an’ny zazalahy. Mila manaja lalàna isika izao, hoy ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrile, fa tsy entina hanindrina solontenam-panjakana ara-dalana ny maha-olom-pantatry zatsy na zaroa ka manao fampitandremana isan’andro momba io raharaha trano fandihizana nakaton’ny prefektiora io.
Malala Didier