Baiko midina avy amin’ny tompon’andraikitry ny filaminana ny mba hampatsiahy ny olon’izy ireo ho mailomailo ato ho ato, indrindra rehefa mitondra fitaovam-piadiana. Ny anton’izany dia noho ny fandrenesam-baovao fa mitady basy mafy dia mafy ireo olona mikasa ny hanakorontana ny firenena sy haka fitondràna. Raha ny tsilian-tsofina re aza dia efa nisy tamin’ny mpitandro ny filaminana mitondra basy no…voaendaka saingy nafenina ny zava-nisy. Nasaina tsy dia mandeha tsirairay intsony ireo olon’ny lalàna rehefa manao ny asany, indrindra ka mitondra fitovam-piadiana. Izany dia mba entina hiatrehana izay mety herisetra hianjady aminy, mazava ho azy, noho izay mety ho fikasana haka ny basy. Mampanontany tena ihany ny fahasahian’ireo olona voakarama handroba olona mitam-piadiana izany. Midika mantsy amin’ny lafiny iray fa vonona ny hisorona ny ainy izy ireo raha tonga amin’izany. Mailo avokoa ankehitriny ny mpitandro ny filaminana satria miankina lehibe amin’izy ireo ny tsy hahatanterahan’izay mety ho fikasana hanakorontana atsy ho atsy. Sady ezahina “vonoina” amin’ny kolikoly izy ireo no tadiavina halaina an-kerisetra ny basiny. Efa ireny nambaran’ny lehiben’izy ireo ireny ny fisian’ny vola izay kasain’ny mpanongam-mpanjakana hozaraina eo anivon’ny mpitandro ny filaminana mba tsy hihetsehan’izy ireo amin’izay fikasàna ny hamerina izay nitranga tamin’ny 26 janoary 2009. Arahina hatrany ny fivoaran’ny raharaha…
D.R