
(Sary : FEM)
Nimenomenona ny olona, indrindra ireo mpitondra fiara. Ny antony, noho ny fisian’ny tsatoka teny am-povoan-dàlana ny alin’ny alarobia teo. Marobe ny kodiarana vaky vokatr’izany. Amin’ny alim-be avy nivavaka ny maro no voatery nijanona ary nanolo kodiarana. Ireo izay tsy nanana kodiarana fanolo kosa dia voatery natory teo an-toerana ary niandry maraina vao nitady mpanamboatra an’izany. Faritra maro teto an-drenivohitra no nahitana an’izany ary marobe ny fitarainana azon’ny mpitandro ny filaminana. Isan’ny voakasika Antanimena, Andravoahangy, Ambanidia ary koa Analakely. Mazava hoazy, fa asa fanakorontanana no niseho. Hatreto dia tsy mbola fantam-piaviana ireo tsatoka hita marobe. Ny tsikaritra, dia mitovy amin’ny fampiasan’ireo mpanakan-dàlana eny amin’ny làlam-pirenena izy ireo. Vita tamin’ny “fer 6” atao miendrika telozoro ireo “rantsan’akoho” izay afaka mitsangana ka manimba kodiarana avy hatrany. Nifampita vaovao ny olona omaly ary niparitaka teny amin’ny tambajotra sosialy ihany koa ny tranga. Marobe ny nandray fepetra, ny tsy hitondra fiara aloha mandra-pahitana vahaolana; izay handrasana indrindra amin’ny mpitandro ny filaminana. Iza indray no manao izao fanakorontanana izao? Mila fanadihadiana haingana sy fanarahamaso tsy an-kijanona, satria ny ain-dehiben’ny mpampiasa làlana no voatohintohina amin’ity trangan-javatra ity.
D.R