- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversFanalan-jaza : Mpitsabo mpanampy iray no nisy nitory

Fanalan-jaza : Mpitsabo mpanampy iray no nisy nitory

Ny zoma 22 agositra 2014 no nisian’io fitoriana io, tany amin’ny mpitandro filamina. Mpitsabo mpanampy ao amin’ny tobim-pahasalamana ao Sambava no nanao izany.  Ity mpitsabo ity izay voarohirohy fa  nanao “avortement” na fanalan-jaza tamin’ny zazavavikely tsy ampy taona.

Noho ny hetraketraka sy ny handrakandrana dia tratry ny vohoka tsy nirina teny ampianarana ity tovovavy kely ity, tamin’izao fifaranan’ny taompianarana 2013-2014 izao. Rehefa nahatsapa izy fa tsy nety ny nataony dia nilaza tamin’ny mamany izy fa bevohoka. Tsy nanakivy azy ny mamany fa nankahery azy. Tratran’ny fakampanahy na koa hevitra avy an-toeran-kafa ilay zaza dia nanatona ilay mpitsabo mpanampy ity , hanala ny zaza ao ambohoka. Vita ny natao , ary nandeha rà tsy nijanona ny fivaviany rehefa tonga tany an-trano. Teo vao taitra ny reniny ka nanontany azy. Nifona mafy tamin’ny mamany izy ary nilaza fa nanala zaza. Taitra ny mamany ary nanao fitoriana ilay mpitsabo mpanampy, teo koa ilay rangahy nampavesatra io zazavavikely io nanampy ny ray aman-dreniny. Mbola sarotra  ny raharaha amin’izao, satria misy zavatra maro mifamahofaho.

V.JCL

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser