Taorian’ilay fahatongavan’ireo vadin-tany sy mpitandro filaminana tonga nanala ireo mpivarotra sy olona nipetraka tao amina trano iray tetsy Tsiazotafo, andro maromaro lasa izay dia mitondra fanazavàna mahakasika izany ireo tompon-trano. Raha ny zava-nisy mantsy dia tsy araka ny voalaza tokoa fa hoe mety hampidi-doza no antony nanesorana ireo mpivarotra sy olona nipetraka tao amin’ity trano ity, izay fanazavàna azonay teny an-toerana, sy notaterinay an-gazety teto, fa toa misy raharaha ambadika. « Somary nahagaga anay ihany ny fahatongavan’ireo olona tonga hanesotra anay amin’ny trano hoy izy ireo. Tsy marina velively mantsy izany filazàna izany satria dia nisy tompon’andraikitra nanao fanadihadiana sy nijery ifotony izany teny an-toerana ary natrehana “commissaire de la loi du tribunal administrative » izany zavatra izany ary nilaza fa azo hipetrahana sy hiainana tsara ny trano fa tsy misy atahorana ». Ary tsy vitan’izay hoy izy ireo, fa diso ihany koa ny filazàna fa « efa tsy nomen’ny jirama jiro intsony izahay ». Raha ny fanazavàna nomen’izy ireo mantsy dia « mbola naharay faktiora ara-dalàna izy ireo, ary tsy mbola nisy filazàna avy amin’ity orinasa ity ny hanapahana izany ». Mahakasika ity fanesorana azy ireo amin’ny tranony tampotampoka ity, dia milaza ireo tompon’ny trano sy ireo fianakaviana miara-monina ao amin’io trano io fa efa nampiakatra ny raharaha teny amin’ny tribonaly, ka ho hita eo ny marina momba ity zavatra tsy dia mazava loatra ity.
Nangonin’i m.L