- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFanalefahan-tsazy : Efa nisy naverina am-ponja sahady fa nangalatra

Fanalefahan-tsazy : Efa nisy naverina am-ponja sahady fa nangalatra

Tsy nisy herinandro akory no nivoaka ny fonja ny gadra maro rehefa nahafeno ny fepetra hahazoana ny fanalefahan-tsazy avy amin’ny mpitondra tamin’ny fetim-pirenena. Efa nisy nosamborina sahady ny sasany tamin’ireo rehefa namerin-keloka, nangalatra. Toa ny tetsy Antanifotsy, nangalatra bisikileta ilay rangahy izay vao avy nifonja tao Tsiafahy. Tratran’ny olona ary efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy haingana ny zandary naka azy teo ka niaro ny ainy. Vao ny 30 jiona izy no nivoaka ny fonja rehefa nahazo fanalefahan-tsazy raha tokony mbola hamita ny dimy taona tao Tsiafahy. Nizotra nody tany amin’ny tany niaviany ary iray andro monja taorian’izay dia efa nangalatra indray. Roa andro taty aoriana dia efa nampidirina am-ponja any Ambatolampy indray izy ary miandry ny fotoam-pitsaràna azy any. Kely sisa dia notetezin’ny fonja eto amin’ny manodidina an’andrenivohitra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici