- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFanamboarana ny « Autoroute » RN2 – SPAT : Mampiaka-peo ireo tena...

Fanamboarana ny « Autoroute » RN2 – SPAT : Mampiaka-peo ireo tena tompon-tany fa hanesorana 17m ny tanin’izy ireo

Mitaraina ireo tena tompon-tany ao Tanandava izay andalovan’ilay lalana “Autoroute” hampitohy ny lalam-pirenena faha-02 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina, fa ny tanin’izy ireo no tena hanesorana goavam-be amin’izao fotoana izao. Mahatratra 17m no hoesorina amin’ireo tany manan-tompo ao Tanandava eo atsimon-dalana, raha 02m kosa izany ho an’ireo mpiditra an-keriny ao amin’ny tanin’ny Spat eo avaratry ny lalana. Raha ny fanazavana nataon’ireo tompon-tany nanao fitarainana efa nalefa eo anivon’ny fiadidiana ny filohan’ny repoblika miisa 22, dia miovaova ny fomba fandrefesan’ireo milaza azy ho iraka avy any Ambohitsirohitra misahana ny tetik’asa “Autoroute” ity. Ny fanazavana no nahalalana fa teo am-boalohany raha ny arabe misy amin’izao no niaingana tamin’ny fandrafesana ny tany tokony hiala amin’ny andaniny roa, dia miala 03m ny ilainy avaratry ny arabe, raha miala 05m ny ilany atsimo. Tamin’izao fanovana ny fomba fandrefesana fanindroany natao izao indray dia lasa 02m fotsiny no miala ny ilany avaratry ny arabe izany hoe ireo mpiditra an-keriny amin’ny tanin’ny seranan-tsambo, raha hanaserana 17m kosa ireo tena tompon-tany amin’ny ilany atsimon’ny arabe. Tsy manohitra ny fanamboarana ilay tetik’asam-panjakana ireo tompon-tany ireto, fa mitaraina kosa fa tokony atao mitovy ny fampiarana ny lalana eo amin’ireo samy mponina ao Tanandava, ary tokony ampiarina ara-dalana ny lalana amin’ny maha-tany tan-dalana an’i Madagasikara. Noho izao olana izao izay efa in-02 nitaraina teo anivon’ny fiadidian’ny filoham-pirenena ireto tompon-tany hiaran’ny antsonjay, nefa tsy nisy mpihaino ka miangavy ireo tena tompon’andraikitra hijery ifotony izao olana ao Tanandava izao momba ity olana ara-tany hanamboarana “Autoroute” ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici