- Publicité -
jeudi, août 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanampara-pahefana sy fisolokiana : Nafahan’ny Fitsarana ireo mpanara-maso ny Hetra

Fanampara-pahefana sy fisolokiana : Nafahan’ny Fitsarana ireo mpanara-maso ny Hetra

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ireo mpiasan’ny Ivotoeran’ny Hetra ao amin’ny boriboritany faha-6 etsy Ambohimanarina. Nohafahan’ny fitsarana izy telo mianadahy voakasik’izany. Tsy noraisina noho izany ny vesatra rehetra nanenjehana azy ireo. Nampangaina izy ireo fa nanararaotra fahefana mba hakana vola amin’ilay Sinoa tompona orinasa fanaova-mofo na « boulangerie» iray ao Ambohimamory, kaominina Andranonahoatra-Itaosy. Tao anatin’izany, dia voalaza fa nandrahona ny hanakatona ity toerana ity mandritra ny iray volana ireto mpiasa ireto rehefa avy nanao fitsirihana io toerana io. Nolazina ihany koa fa tsy nanara-dalàna ireto mpiasa ireto satria niditra tany amin’ny faritra tsy ananany fahefana satria ivelan’ny fari-piadidian’ny ivotoera-ketra iasany. Mikasika ilay fakana vola tamin’ilay Sinoa kosa, nanazavan’ireo olotsotra roa izay nampagaina ho mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo fa tsy nandray izany vola izany ireo mpiasa ireo. Ireto farany izay  nohamafisin’ny mpisolovava ihany koa fa tsy naniraka ireo olotsotra ireo haka izany vola izany mihitsy. Ny mpisolovavan’ireto mpanara-maso ny Hetra ireto moa dia efa nangataka teo anoloan’ny Fitsarana ihany koa ny tokony hanatsaharana ny fanenjehana ny olona arovany satria  tsy feno ny fepetra ahazoana manao izany. Aminy dia fahadisoana amin’ny asa ihany no nataon’ireto mpiasa iretoka tokony ny « Conseil de discipline » no hitondrana azy ireo. Nilaza moa ny sendikan’ny mpiasan’ ny Hetra na ny SNAIM fa tsy maintsy hivory mahakasika ity raharaha ity anio ka tsy mbola afaka naneho ny hevitra momba io didim-pitsarana io.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici