- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanamparam-pahefana : Jeneraly miaramila arahi-maso akaiky

Fanamparam-pahefana : Jeneraly miaramila arahi-maso akaiky

Nesorina taminy ary naverina an-dakazerina ireo miaramila teo ambany fiahiany. Iray amin’ireo sisa no napetraka miaraka aminy mba ho fiarovana ny ainy, zony rahateo izany amin’ny maha-minisitra teo aloha azy. Mbola misy basy iray sy masolavitra iray any aminy ary isan’ny arahi-maso ihany koa ny fampiasany an’ireo. Ny antonin’izany fepetra hentitra izany, dia noho ny fiahiahiana fanamparam-pahefana izay nataony tamin’ny zandary am-perin’asa, tany ambanivohitr’i Mahajanga. Raha nandroaka omby izay nampiahiahy sao an’ny dahalo mantsy ireo zandary miasa eo anivon’ny sampana miadidy ny heloka bevava ao Mahajanga, dia nifanena tamin’ny miaramila folo nentin’ilay jeneraly miaramila, minisitry ny fiarovana telo aloha, ny 5 desambra teo. Nalain’ireo farany ny basin’ny zandary ary tsy vitan’izany fa nasaina nanaraka azy ireo. Efa saika raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta rehefa nahazo tatitra ny lehiben’ny zandary any amin’ny faritra ny amin’ny fisian’izany tranga izany. Nisy ny zandary nalefa haka ny basy sy hanavotra ireo namany. Naverina teny an-dàlana anefa ireo rehefa niova ny baiko izay heverina fa mba hialàna amin’ny hisian’ny rà mandriaka. Nahazo tatitra momba ity olana ity ny ambaratongam-pahefana maro, indrindra teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, ary mazava loatra fa, izay no anton’ny fandraisana ity fepetra ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici