Vao niandoha ity volana desambre ity dia lasa ambetin-tenin’ny mpanao politika teto Toamasina ny resaka fandravana ny kianja monisipaly eto Toamasina, izay voalaza fa hananganana kianja “Arena Sport” fandaharan’asam-panjakana. Niakatra teo anivon’ny mpanolontsain’ny kaominina ny raharaha ho laniana, nefa raha natao ny safidy miafina dia resy tamin’ny 11 noho ny 08 ny fananganana ilay kianja mitafo, izany hoe nisy tamin’ireo mpanolontsaina IRD nisafidy ny “tsia” ihany koa. Midika izany fa nolavin’ireo mpanolontsaina ilay fametrahana kianja mitafo eo amin’ny kianja monisipaly horavana, nefa na izany dia mbola hisy ny famerenana ny fandihina ny raharaha tsy ho ela amin’ny fanampim-panazavana nangatahan’izy ireo avy amin’ny fanjakana. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpitia fanatanjahan-tena eto Toamasina kosa anefa, dia ankasitrahan’izy ireo ity fandaharanasa ataon’ny fanjakana hananganana ity kianja mitafo manaram-penitra “Arena Sport” ity. “Avelao hisy tahaka ny any ampitan-dranomasina ny eto fa ilain’ny tanora sy ny mpanao fanatanjahan-tena ny fisian’izany, mba ho lasa lavitra koa ny fanantanjahan-tena anaty efitrano izay lasa latsa-danja eto amintsika ankehitriny”, hoy ireo mpitia fanatanjahan-tena eto Toamasina. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa “hampisodrotra ny taranja maro fanao anaty efitrano ny fahavitan’izany kianja mitafo vaovao hatao eo amin’ny kianja monisipaly ity, ka ho anay tsy misy ny olana fa ny fahavitany no andrasanay fatratra”. Ankoatra izany dia nilaza koa ny mpanao hay ady fa “toherinay hatramin’ny farany ireo mpanao politika manohitra ny fanamboarana izao kianja mitafo maram-penitra hatsangana eto Toamasina izao, satria ny ho avinay tanora no ataon’izy ireo hofana amin’ny ady lahy politikany”.
Malala Didier