
Tsy kely lalana ny ratsy. Misy azy avokoa izay rehetra mety hivondronan’ny olona. Tongan’ny sasany tamin’izy ireo ihany koa tao amin’ny fanaovam-beloma farany ny vatana mangatsiakan’i Félicien Rakotomalala tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena. Saron’ny olona teo am-pangaronana paosy izy, raha araka ny fanazavana. Tezitra ny olona satria efa ao anatin’ny fahoriana mbola misy ihany ny mpanararaotra. Tao anatin’izany anefa dia mbola nisy niaro indray koa ilay tovolahy, manodidina ny 25 taona, monina eny amin’ny « La haute ». Noraofin’ny mpitandro ny filaminana avokoa izy roa ireo. Maro ihany ny taitra satria olona mba tsara fitafy sy tsy nampoizina ho olon-dratsy izy ireo, indrindra ilay voasambotra voalohany izay voarohirohy ho mpangarom-paosy. Ny olona mahafantatra azy anefa dia nanamafy fa efa fanaony mihitsy io asaratsy io ary fika entiny miady ilay manao akanjo madio sy mba metimety, izany dia mba hialàna amin’ny fanahian’ny olona. Omaly ihany dia nosokafan’ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana azy ireo.
D.R