- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFanaovana hosoka amin’ny taratasim-panjakana : Tambazotra iray ravan’ny polisy, sefo fokontany iray...

Fanaovana hosoka amin’ny taratasim-panjakana : Tambazotra iray ravan’ny polisy, sefo fokontany iray voarohirohy

Fitombokasem-panjakana hosoka mahatratra hatrany amin’ny 250 isa izay voalaza fa saika mahasahana ny ankamaroan’ireo biraom-panjakana eto Madagasikara, niaraka tamina taratasim-panjakana hosoka maromaro sy rongony roa lasaka kely, no saron’ny polisy tao amin’ity tokatrano iray teny amin’iny faritra Anosizato Atsinanana iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona efatra no voasambotra tamin’izany : ny iray tompon’ireo fitaovana, ny iray, izay sady lehibena fokontany, mpanera sy mpiray tsikombakomba amin’ity farany, ny roa hafa, mpanjifa an’izy ireo, nanamboatra taratasy sandoka.

Ny zava nisy araka ny tatitra azo avy amin’ny polisim-pirenena : « voasambotra teo anivon’ny Kaomisarian’ny Boriborintany Voalohany ny lehilahy sy vehivavy iray noho izy ireo nahatrarana kara-panondro hosoka sy taratasy manamarina ho mpandova izay mbola hosoka ihany koa, saika nampiasaina tao amin’ny Ivon-ketra teo Analakely ireo hosoka ». Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny sampan-draharahan’ny polisy ekonomika misahana ny ady amin’ny hosoka sy fampiasàna hosoka. Tamin’ny famotorana no nanondroany lehilahy iray mipetraka eny Anosizato Atsinanana, izay voalaza fa nahazoan’izy ireo an’ireo taratasy hosoka ireo, ary fantatr’izy ireo tsara izany. Ny zoma lasa teo no nidina avy hatrany teny an-toerana ireto mpitandro filaminana. Nandritra ny fisavàna ny tranony no nahitàna ireto karazana fitaovana marobe fanaovana taratasim-panjakana hosoka ireto : fitombokasem-panjakana 250 isa, renin-karatra, Bulletin n°3, bokim-pianakavina mbola tsisy soratra, fakitiora hosoka ana moto, taratasy fitsarana miaramila, taratasy fanamaronana maha mpandova, taratasy fanamarinam-pahafatesana, sy taratasy marao hafa. « Ny sasany tamin’ireo taratasy ireo dia fantatra fa taratasy tena izy saingy novaina kosa ny soratra tao anatiny » hoy hatrany ity tatitra ity. Nentina natao famotorana ihany koa moa ingahirainy tamin’izany ary fantatra fa efa tena an-taonany maro izy no nanao io asa ratsy amin’ny fanamboarana taratasim-panjakana hosoka io, ho an’ireo olona mila izany. Tsy izy irery anefa no ao anatin’io tambazotra io fa mbola maro ireo mpiray tsikombakomba aminy amin’izany. Omaly dia nisy olona iray voasambotra. Araka ny filazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena hatrany dia « mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo izy io no sady mpanera no lehibena fokontany ». Omaly ihany dia samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto mpanao hosoka sy mpampiasa hosoka ireto ary nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Ny amin’ireo fitaovana marobe kosa dia nogiazana avy hatrany, hisorohana ny fiparitahany indray, hoy hatrany ny vaovao azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici