Na eo aza ireo fepetra maro noraisin’ny sampandraharaha misahana ny fanaovana pasipaoro mba hanomezana fahafaham-po ireo olona tonga manao raharaha eto amin’ity toeram-piasana ity dia mbola misy ihany ireo minia manao ny tsy mety. Olona 4 nanao izany no tsy maintsy nosamborin’ny polisy teny an-toerana ny alakamisy 20 aprily teo. Ny 02 voalohany dia vehivavy mpisera antontan-taratasy sandoka hanaovana pasipaoro. Ny lehilahy 02 kosa dia nitaona sy nanakorontana ireo mpilahatra tsy hanaiky ny fandaminana mipetraka teo amin’ireo mpilahatra. Rehefa nosamborina izy ireo dia nahenoana zava-pisotro mahamamo ary tsy manana antontan-taratasy hanaovana pasipaoro fa hanakorontana fotsiny ihany. Hisorohana ny tranga toy izao dia efa misy ny laharana finday (034 03 843 15) azon’ny rehetra antsoina raha vao mahita zavatra mampiahiahy. Ho an’ireo olona mahita na mandre ny fisiana kolikoly na tsy fahaiza-miasa ataon’ireo mpiasa kosa dia afaka miantso ny laharana : 034 05 507 34.
T.M.