- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanaovana saribao an-tsokotsoko : Ala arovana mirefy 170 ha, may kila forehitra...

Fanaovana saribao an-tsokotsoko : Ala arovana mirefy 170 ha, may kila forehitra tao Ankililoaka

Nahazo vahana tato ho ato teto amintsika ny doro tanety sy ala, ka raha tsy mihenjana faran’izay mafy ny mpitondra fanjakana sy ireo tompon’andraikitra mahefa, dia ho lasa tany ngazana tanteraka ity nosintsika ity atsy ho atsy.

Ala arovana mirefy 170 ha no may kila forehitry ny afo, tany amin’ny Fokontany Akiliabo,  Kaominina ambanivohitra Akililoaka, Distrika Toliara II, ny Alahady lasa teo. Arakan’ny fanazavan’ny Filohan’ny APC miaro ity ala arovana ity, sy ny Filohan’ny Fokontany, dia nisy andian’olona nanamboatra « charbon » an-tsokosoko tao anatin’ity ala arovan’ny APC Analamaitso ity, ka izay no nahatonga ny loza. Raha vao nahita ny firehetana ireo Fokonolona sy ny Mpitandro ny filaminana tany an-toerana, dia niara-nifarimbona namono haingana ny afo, nefa noho ny fitsiokan’ny rivotra mafy tamin’io fotoana io, sarotra ny famonoana ny afo, ka roa andro taty aoriana vao maty tanteraka ny afo. Efa eo am-panadihadiana ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana ankehitriny, ka ho hita eo ny tohiny raharaha. Ary enga anie ka hahazo sazy henjana sahaza  sy tandrify azy ireo fahavalom-pirenena, satria izay mandoro tanety dia mandoro Tanindrazana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici