- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFanaovana sy fampiasana hosoka : Miha-mahazo vahana eto toamasina ny fanaovana azy…

Fanaovana sy fampiasana hosoka : Miha-mahazo vahana eto toamasina ny fanaovana azy…

Raha mijery ireo filazana mikasika ny fotoam-pitsarana eo anivon’ny fitsarana Toamasina, dia isany maro an’isa amin’ny antontan-taratasin’ady tsaraina ankehitriny ny resaka “fanaovana sy fampiasana hosoka”. Nefa mazava mahazo rariny hatrany ireo olona mpanao izany (?) amin’ny fitsarana.

Tranga iray izay isany nahagaga ny mahalala ny raharaha ity seho nitranga roa herinandro lasa izay, izay nisian’ny fifanolanana eo amin’ity ramatoa teratany Malagasy manambady koreana ity, sy teratany frantsay manambady Malagasy. Ny zava-nisy dia nisy ny fividianana tany sy trano teo amboniny tao Valpinson nataon’ity teratany frantsay ity tamin’ity ramatoa iray ity. Raha ny angom-baovao natao dia 150 tapitrisa ariary no nifarahana tamin’izay, ka natao ny taratasy rehetra ara-barotra mikasika izany, ary niroso tamin’ny fanavaozana sy fanatsarana ilay fananany ity teratany frantsay.

Taty aoriana anefa nisy taratasy nivoaka tampoka nilaza fa nofohanana indray ilay fifanarahana ara-barotra, izay nampandalovina teo anivon’ny fokontany sy ny boriborin-tany ho fanamarinana azy. Tao anatin’izay anefa tsy nahalala na inona na inona mikasika izany ilay teratany frantsay ary ny volany tsy naverina akory nandritra izany. Raha nisy ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, dia nipoitra teo ny fisian’ny “fanaovana sy fampiasana hosoka”, satria nangalarina ny sonian’ilay frantsay sy ny anarany tamin’izay. Nefa tao anatin’izay dia nahazo taratasy tamina vadintany koa izy mba hampitsahatra aloha ny asa ataony tamin’ny fanavaozana ny tranony.

Noho io resaka fanaovana sy fampiasana hosoka io, raha niakatra fitsarana ny raharaha dia nisy ny fampidirana am-ponja ilay ramatoa nivarotra ny trano, ny filoham-pokontany sy ny delegen’ny boriborin-tany izay voalaza fa niray tsikombakomba taminy, am-ponja. Herinandro taty aoriana anefa raha nisy ny baiko nidina avy any “ambony” (?), dia nahazo fahafahana vonjy maika avokoa ireo voaroiroy. Izy ireo indray ankehitriny no mandrahona ireo mpitandro ny filaminana nisahana ny raharaha. Ilay teratany frantsay kosa mbola miandry didim-pitsarana hahafahany manohy ny asa ataony…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici