- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFanaovana vola sandoka eto Toamasina : 750 isa tratran’ny zandary, mbola misy...

Fanaovana vola sandoka eto Toamasina : 750 isa tratran’ny zandary, mbola misy 600 tapitrisa ariary mbola karohina

Efa ho iray volana no nahazoan’ny zandary teto Toamasina ny vaovao, fa misy mpanao vola sandoka eto Toamasina ka mitady mpividy izany izy ireo. Izany hoe 20.000 ariary amin’ny vola sandoka amidy 5.000 ariary amin’ny vola tena izy.

Ny alatsinainy teo vao natao ny valem-pandrika tamin’ity vola sandoka ity, ka fiara iray hihazo ny lalam-pirenena faha-02 iny no voasakana teo Barikadimy mifanakaiky amin’ilay toeram-pandanjana fiara. Tratra tamin’izany ity lehilahy iray nitondra vola sandoka mitentina 15 tapitrisa ariary na vola 750 isa amin’ny 20.000 ariary. Nanomboka teo no nanoro ireo mpiara-miasa aminy izy ireo, ka isan’izany ireto vehivavy mpitaiza jaombilo ireto. Ny iray nahazo fandrahonana tamin’ilay olona manana ilay vola sandoka 600 tapitrisa ariary mbola tsy hita, fa raha be resaka eo dia ho vonoiny nefa raha mahay mangina dia havotany. Mazavana anefa ny voasoratra anaty lalana mikasika ny fanaovana vola sandoka, fa mampigadra an-terivozona mandram-pahafaty ny fanaovana izany.

Raha ny fanazavana tamin’ny zandary ihany koa dia ireo olon-tsotra sahy mividy ilay vola sandoka 20.000 ariary amin’ny 5.000 ariary, sy sahy manakalo azy avy eo no amarotan’izy ireo azy. Eo koa ny fanaparitahan’izy ireo izany amin’ireo mpivarotra sy ny mpamboly ny vokatra fanondrana eny ambanivohitra izay afangaro izy ireo amin’ny vola tena izy vitsivitsy. Ny tena nahagaga ny zandary nahatratra ireto vola sandoka ireto dia ny fahasamihafan’ny laharana amin’ilay vola, ka izany no tena mahavoafitaka ireo tratran’ireo amin’izany ankoatra ny fitoviana samy hafa eo aminy. Izany no ilazan’ny zandary fa tena efa avo lenta ny fitaovana fampiasan’izy ireo amin’ny fanamboarana ity vola sandoka ity, satria efa mitovy ara-dalana ny loko fa eo amin’ny pitsopitson’ny marika rehetra no olana.

Izay no nolazan’ny komandin’ny vondromp-pileovan’ny sandary atsinanana Lt Col Ranaivoarison Théodule nilaza fa zavatra telo no tokony ho fantatry ny olona momba ny vola sandoka ity. Eo aloha ny fikasihana azy izay tsy mitovy amin’ny vola tena izy noho izy tsy mivoiboitra; eo ny antsoina hoe “filigrane” izay tsy ho vitan’ny mpanao vola sandoka mihintsy nefa maro ny famantarana eo aminy isan’izany ny sary na lohan’omby; ary ny mandray loko amin’ny fitarafana jiro “ultra-violet” ny vola tena izy.

Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aoriana ny famotorana azy ireo, ka raha ny vaovao avy amin’ny zandary dia mety androany no hiakatra fampanoavana ireto olona tratra tamin’ny fanaovana sy fanaparihana vola sandoka teto Toamasina ireo. Ny banky foiben’i Madagasikara eto Toamasina no mpitory amin’izao raharaha izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici