- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversFanapahan-tanana tao andranomadio : tratran’ny polisy i “papi” sy “jao” isan’ireo jiolahy…

Fanapahan-tanana tao andranomadio : tratran’ny polisy i “papi” sy “jao” isan’ireo jiolahy…

TANANASaron’ny polisy tao amin’ny fokontany Andranomadio P/elle 11/43, fokontany misy an’Ingahy Joseph tratry ny fikapan-tanana nataon’ireto jiolahy azy ny alarobia lasa teo, ny roa lahy, dia i “Papi” sy “Jao” isan’ireo andian-jiolahy mpanakan-dalana sy mpanendaka ary mpikapa tanan’olona.

Raha ny fanazavan’ilay voakapa tanana dia ny tendany mihitsy no nokendren’ireo jiolahy, saingy noho ny fialan’izany dia ny tanany havanana no voan’ilay antsy maranitra ka nipitika tamin’ny tany. Nambarany hatrany fa niezaka niaro tena ihany izy nandritra ny fanakanan’ireto andian-jiolahy azy teo akaikin’ny tetezan’ny fokontany P/elle 11/43, izay tsy maintsy andehanana mora ihany koa noho haavony, saingy lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola tany aminy ary teo am-pangalarana ny moto-ny ireto jiolahy izao izy voakapa tanana izao. Niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha omaly antoandro, ka miandry fitsarana am-ponja izy roa lahy ireto, niaraka tamin’ny tovolahy efatra hafa mpanendaka sy mpanakan-dalana ao Andranomadio ihany, saingy tsy isan’ny nanao izao fanapahan-tanana izao kosa, fa tratra nandritra ny hetsika nataon’ny polisy.

Ankilan’izay dia saron’ny polisy ambodiomby tao Ambohijafy tokony tamin’ny 10 ora alina, teo am-pamakiana trano sy teo am-pamoahana ny entana tao anatiny kosa ireo jiolahy roa. Ilay tompon-trano nahatsikaritra azy ireo no nampandre haingana ireo mpitandro ny filaminana, nahatrarana azy ireo izao. Ny moto scootern’ny tompon-trano nangalarin’izy ireo ihany no nitateran’izy roa lahy entana nangalariny, ka ireo entana maivana saingy mora amidy no tena nalan’izy ireo tamin’izany. Ankoatra izay, dia ela nikarohana an’Ingahy “tolotra” mpanao sinto-mahery sy mpanendaka an-tsena, ao Bazary kely sy Ambolomadinika, ny polisim-pirenena. Traha-tehaka izy raha efa mpamerin-keloka tamin’ny fahatrarana azy matetika kosa Ingahy Gino namany, izay efa misazy am-ponja ihany koa ankehitriny.

Samy namoahan’ny fitsarana sazy vonjy maika miandry fitsarana am-ponja izy rehetra ireo omaly, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici