- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanapahan-tenda tao Andapa : Teo imason’ny manam-pahefana maromaro no nitranga

Fanapahan-tenda tao Andapa : Teo imason’ny manam-pahefana maromaro no nitranga

Tsy fantatry ny mpitandro ny filaminana intsony ve ny tena anton’ny asany sy izay tokony hataony? Izany avokoa no fanontaniana napetrak’izay olona nahita ny horonan-tsary mahakasika ny fanapahan-tena izay niseho tao Antangena Andapa, ny faran’ny herinandro teo. Omaly dia fantatra avy tamin’ny fanamarinam-baovao fa tsy ilay zandary iray izay azo sary ihany no mpitandro ny filaminana teo an-toerana fa mbola nisy manampahefana maromaro ihany koa. Teo ny sefo distrika, ny komiseran’ny pôlisy, ny komandin’ny borigadin’ny zandary sy ny mpitandro ny filaminana hafa ihany koa nanao fanamiana sivily. Dikan’izany, teo ambany mason’izy ireo no nitranga ilay vonoan’olona izay nahatohina ny maro. Inona ny tena zava-nitranga? Satria ny olon’ny zandarimaria no azo sary fa teo an-toerana dia nisy avy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo. “Nisy ny fifamaliana teo amin’ny mpirahalahy izay monina tao Andapa. Tezitra tamin’izany ny iray ka nandoro ny tranon’ilay rahalahiny. Nitatra ny afo ka nahazo tranon’olona hafa ary niteraka hatezeran’ny mpiara-monina izany”, raha araka ny fanazavana azo. Natao ny fikarohana ilay olona ka voasambotra ny roa aprily lasa teo. Nangataka ny olona ny amin’ny hanaovana fitsaram-bahoaka ilay rangahy saingy tsy nanaiky izany ny rahalahiny fa niaro azy tamin’ny antsibe teny an-tanany. Ny mpitandro ny filaminana niaraka, izany hoe ny pôlisy sy ny zandary, koa dia niombon-kevitra ny amin’ny hiarovana ny ainy. Ny nangatahin’ilay rahalahiny izay may trano dia ny mba hitondràna ilay lehilahy eo anoloan’ny trano nodorany mba hahitany ny tsy mety nataony ary hanarina eo imason’ny olona. Tsy nampoizina mihitsy teo ny mety hisian’ny vonoan’olona, raha araka ny fanazavan’ny zandary hatrany, satria ilay rahalahiny dia niaro azy hatrany teny an-dàlana hizotra ho eo amin’ireo trano voatonona. Rehefa teo an-toerana dia asa izay nifamalian’izy mirahalahy indray fa nanomboka notsatohan’ilay rangahy tamin’ny antsibe tampoka ilay rangahy. Tao anatin’ny fotoana fohy aza dia nofirainy ny tendany ary maty tsy tsa-drano. Ny mpitandro ny filaminana sy ny manam-pahefana izany mbola variana nitazona ny olona tsy hihoa-pefy, ilay olona efa maty voafira teo ampovoan’ny olona marobe. Izay ny zava-nitranga araka ny fanazavan’ny zandary. Maninona no tsy nampiasaina ny basy nentina nampitahotra na nampijanona ny famonoana? Notohizan’ny tompon’andraikitra azonay fa raha natao izany dia olona tsy latsaky ny 15 no indray namoy ny ainy teo, satria marobe loatra ny olona nitangorona. Amin’ity tranga ity izany dia niaiky an-kolaka ny mpitandro ny filaminana fa voafitaka tanteraka tamin’ny fisian’ny vonoan’olona tampoka izay tsy noeritreretina. Nosamborina, mazava loatra, ny nahavanon-doza. Ilay sary mahakasika ny vonoan’olona dia nitety izao tontolo izao tao anatin’ny fotoana fohy omaly ary niteraka endrika ratsy ho an’ny firenena. Ny mpandraharaha amin’ny fizahan-tany aza dia efa manahy indray ny mety hisian’ny fidinan’ny isan’ny vahiny ho avy vokatry ny tranga toa ireny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici