Nofefeny ny barazin-drano. Izany anefa no mamatsy rano ny tanimbary amin’ny hekitara maro eo amin’ny manodidina. Vokatr’izany dia lasa tsy mamboly vary intsony ny olona fa lasa voly mangahazo sisa no azo ampiasaina ny tany izay maina. Any Bekongo no misy izany trangan-javatra izany. Ny alatsinainy teo ary dia nipoaka ny sarom-bilany ary nivoaka ny fahanginany ireo olona maro noho ny afitsok’ilay miaramila izay tompon’antoka tamin’ny tsy fahazoan’ny tanimbary rano izay mazava hoazy fa misy fiantraikany amin’ny asa fiveloman’ireo mpamboly. Nitokona izy ireo tamin’ny andro izay voalaza etsy ambony. Nahatezitra ilay miaramila izany ka raha araka ny fanazavan’ny mponina dia nambanana basy izy ireo. Tsy izay iany aza fa mbola nodarohina sy nosamborina koa ny roa tamin’ireo vatan-dehilahy. Nidoboka am-ponja izy ireo hatramin’izao, raha araka ny filazan’ny solontenam-pokonolona hatrany. Mitaraina mafy ireo olona izay mahita fa fanaparam-pahefana tanteraka no ataon’ilay miaramila, misalotra ny galona serza, raha ny fanampim-panazavana avy amin’izy ireo. Toe-javatra toa izao matetika no miteraka hatezeram-bahoaka raha tsy misy ny fifanatonana ary hidiran’ny tangalamena an-tsehatra. Tsiahivina fa ady tany no niandohan’ny raharaha Ikongo ary niafara tamin’ny vonoan’olona izay niteraka hatezeram-bahoaka…
D.R