Raha ny fiparitahana amin’izao no jerena dia azo lazaina fa kely ihany ny finoana ny hahavoafehy tanteraka ity firongatry ny fandraisana heroine sy ireo karazan-drongony mahery vaika ity eto amintsika. Indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Na izany aza anefa, tsy mikely soroka ary tsy mbola miraviravy tanana ireo pôlisy manokana misahana ny ady amin’izany etsy Anosy. Ny talata lasa teo tokoa mantsy dia olona valo no fantatra fa noraofin’ny pôlisy, teny amin’iny faritra 67ha sy Anosipatrana iny. Antony, fidorohana sy ny famatsiana rongony mahery vaika.
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany dia ny telo tamin’ireto olona ireto no voasambotra teny 67ha. Ilay nahitàna vehivavy iray voasaringotra ao anatin’izany. « Fantatry ny polisy miasa ao amin’ny « Stup » Anosy ny fisian’olona mivarotra sy mamatsy zava-mahadomelina eny amin’iny faritra 67ha iny. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany izy ireo ka tra-tehaka ny vehivavy iray izay mpivarotra héroïne sy lehilahy roa mpanjifa izany. Mbola tratra teny amin’ilay ramatoa ny héroine milanja 2,7 grama sy ny fitaovana fandanjana fampiasany amin’izany. Vidiany 35 000Ar ny iray sachet izay milanja 1 grama ; tsinjaraina sy zarazaraina ka amidy 3.000Ar ny fonosana 01 dose ». Ireo dimy namany kosa dia teny amin’iny faritra Anosipatrana iny indray. Raha ny voalaza dia efa manana toerana manokana fihinanana sy fandraisana ireto zava-mahadomelina ireto izy ireo : fiara efa maty, tsy mandeha intsony eny amin’iny faritra Anjezika Andavamamba iny. Efa tena mpidoroka ikoizana mihitsy raha ry zalahy ireto satria dia nahitàna heroine milanja eo amin’ny 14,3 grama, izay miteti-bidy any amin’ny dimy hetsy ariary mahery any ho any tany amin’izy ireo miampy rongony 14 fonosana.
Milaza ny tsy hijanona hatreo amin’ny fisamborana azy valo mianadahy ireto moa ireo tompon’andraikitra misahana ny fanadihadiana fa tsy maintsy hanao izay hipaingorana ireo loharano mpamatsy ambongadiny izany rongony mahery vaika izany.
m.L