- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanaparitahana vola sandoka : Tovolahy iray nahatratrana vola roa tapitrisa ariary mahery

Fanaparitahana vola sandoka : Tovolahy iray nahatratrana vola roa tapitrisa ariary mahery

Vola roa alina ariary miisa 109, izay mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary mahery eo ho eo no sarona tany amin’ity tovolahy iray tany amin’iny distrika Farafangana iny. Vola sandoka avokoa izy ireo ary nokasaina haparitaka tany an-toerana.

Zava-nisy nitranga ny herinandro lasa teo. Raha ny vaovao voaray dia niainga avy tamin’ny varotra kafe nitranga tao amin’ny kaominina Anosy Tsarafara, distrika voalaza etsy ambony. Rehefa azon’ity mpamboliny ny vidin-kafe, araka ny tati-baovao azo dia mba niroso tamin’ny fividianana ireo kojakojan’ny fiainana andavanandro izy, tany amin’ny kaomina iray, tany an-toerana hatrany. Tamin’izay anefa no nitranga ny tsy nampoizina satria voalaza teo fa vola sandoka no nentin’ity rangahy mpamboly kafe ity. « Soa ihany fa fantatr’ilay rangahy io tovolahy nanome vola sandoka azy io izay monina any Tragnambo, kaominina ambanivohitr’i Vohilengo ». Napetraka ny vela-pandrika ka tra-tehaka tao an-tokantranony ihany ity lehilahy ity. Tamin’ny fisavàna ny tranony no nahitàna ireo vola sandoka 20000 ariary an-jatony isa ireo. Efa natolotra ny fitsaràna tany ihany moa ny raharaha ary nadoboka am-ponja vonjimaika ity lehilahy nikasa hanaparitaka vola sandoka ity. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana, ahafantarana marina ny loharano nipoiran’ireto vola sandoka ireto sy ireo nanome azy ilay tovolahy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici