Zava-doza no niseho tao amin’ny tanana iray, tao amin’ny kaominina Andranovondronina, Antsiranana faharoa, vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina : atodina sokatra, omaly. Olona valo no voatery nampidirina hôpitaly tao an-toerana vokatr’izay ary indrisy fa zazakely iray, vao roa taona monja no namoy ny ainy.
Omaly mitataovononana no nisy nampandre ny tobim-paritry ny zandary tao Antsiranana mahakasika ity tranga ity ary nidina avy hatrany tany amin’io tanana io, nanampy ireo tany an-toerana tamin’ny famonjena ireto olona narary ireto, izay voatery nampiakarina avy hatrany tao amin’ny tobim-pahasalamana tao an-drenivohitra. Araka ny fantatra dia renim-pianakaviana no nahita ireto atodin-tsokatra ireto ary nihinana izany niaraka tamin’ireo mponina tao an-tanana, ny talata lasa teo. Nanomboka nampiseho soritr’aretina tsy fahazakàna izany sy fahapoizinana izy ireo taorian’izay : nando tsy an-kijanona no sady reraka. Ny ankizy no tena tsy nahazaka ity fihinana atodina soka-dranoamasina ity. Namoy ny ainy vokatr’izay mihitsy aza moa ny zazavavikely iray, vao roa taona monja, zanak’ilay renim-pianakaviana, omaly maraina, tao amin’ny hôpitaly miaramila tany an-toerana. Nisy ankizivavy kely iray, valo taona, izay mbola zanany ihany koa no mbola tena voa mafy, raha ny fampitam-baovao azo. Mbola arahi-maso tanteraka ihany koa hatramin’ny omaly ny toe-pahasalaman’ireo olona hafa narary, vokatr’izay nihinana izany hazan-dranomasina izany. Misy ankizy 08 sy 13 taona, tovovavy 20 taona ary tovolahy 22 taona izay reraka tanteraka. Raha ny fampitam-baovao azo dia mety ho mbola misy olona hafa marary any ho any vokatr’izay ary efa manao ny fikarohana sy ny fanadihadiana rehetra ireo tompon’andraikitra any an-toerana.
Efa maromaro ihany tokoa izay olona narary na namoy ny ainy vokatry ny fihinana itony karazana hazan-dranomasina itony. Mety tsy soka-dranomasina na ny atodiny ihany fa anisan’ny mitera-doza ihany koa ireo haza-dranomasina hafa, indrindra moa fa ireo hoe efa maty ka natsingevan’ny rano sy voatosiky ny rano ho eny amorom-pasika. Tsy mitsahatra ny mampitandrina ny rehetra ireo tompon’andraikitra fa tsy mety ny fihinana izany, ary tokony hampandre avy hatrany azy ireo raha vao misy tranga mampiahiahy, hisorohana ny loza mihatra tahak’izao.
m.L