- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversFanarahana ny fepetran’ny fihibohana : Tsy manaja ny zo fototra maha-olona ireo...

Fanarahana ny fepetran’ny fihibohana : Tsy manaja ny zo fototra maha-olona ireo mpitandro filaminana

Tsy vitsy ny mitarana amin’izao, indrindra fa amin’izao iraka ampanaovina ny mpitandro filaminana eto Toamasina izao. Raha tsorina dia betsaka ny tsy fanajana izany ataon’ireo miaramila avy ao Antananarivo tonga eto Toamasina mampihatra ny fahamehana ara-pahasalamana ity. Ny alin’ny alatsinainin’ny pantekosta, teo amin’ny « rond point » Morafeno, sy ny talata ihany koa dia saika maro ireo olona niharan’ny karazan-kerisetra nataon’ireo mpitandro ny filaminana misahana izany. Voalazan’ireo olona tratra fa efa nahazoazo kely izy ireo ka namiravira basy nandrahona ireo tratrany fa tifiriny izay mihetsika. Nitondra fitarainana tamin’ny mpanao gazety ireo tratra tamin’izany, ka nitondra porofo mihitsy tamin’ny nahazo azy. « Tokony ho tamin’ny 04 ora tolakandro, handeha hanatitra sakafon’olona marary aho no nosakanana teo amin’ny « rond point », efa nilaza aho fa maika ary nasehoko azy ireo ny sakafo masaka nentiko, kinanjo mbola notazomin’izy ireo teo ihany aho ». Ny faharoa kosa : « Handeha hividy fanafody tamin’ny fivarotam-panafody aho, izay tsy lavitra eo, nesehoko ny taratasy milaza izany fa tsy noraharahian’izy ireo ». Ny fahatelo, raim-pianakaviana mpiambina hamonjy fodiana ka niala ny asa fiambenany. Ny fahefatra dia olona avy nandevina hamonjy fodiana voasakana teo ihany koa, raha tsy hilaza afa-tsy ireo isika na efa ho 30 teo aza izy ireo voatazona teo. Nohamafisin’ireo olona voatazona teo rehetra fa tsy voahaja ny maha-olona azy ireo, ny olona marary, manginy fotsiny ny fampadohalihana azy ireo. Ankilan’izany dia milaza ny hampiaka-teny amin’ireo tomponandraiki-panjakana eto Toamasina ny vondron’ny raiamandreny miaro an’i Toamasina avy amin’ny foko 18. Tsy eken’izy ireo ny mandrehitra ny firenena malagasy tahaka izao, ka tsy hanaiky ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka izy ireo. Tsy tany miady akory isika no atao izany, hoy hatrany izy ireo. Misy ny lalàna mikasika izao zava-misy izao, hoy hatrany ireto foko 18 eto Toamasina ireto.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici