Ankehitriny dia hita fa tena manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa ny Foloalindahy amin’ny asa famonjena ireo mponina sy fanarenana iny faritra Vatovavy sy Fitovinany iny, noho ny voina navelan’ny rivodoza Batsiraï teo iny. Ny zoma 18 febrory dia samy tany an-toerana avokoa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Nitsidika tao Vohipeno, faritra Fitovinany ny delegiona notarihin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa. Niara-dia taminy tamin’izany ny goverinoran’ny Faritra sy ny tomponandraikitry ny Tahiry ho an’ny Fampandrosoana, na FID. Taorian’ny fijerena ny fahasimbana nahazo ny faritra dia tapaka fa halefa faran’izay haingana any an-toerana ny vary mora hanampiana ireo mponina amin’ny lafiny ara-tsakafo. Ankoatra izay dia namangy ny Ampanjaka tao amin’ny lapa Fenovola, ao Ivato, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, sady nitondra fanampiana ho azy ireo. Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy eo amin’ny Filaminam-bahoaka dia nanolotra moto ho an’ny Polisy any an-toerana ny Minisitra, ka nandritra izany no nilazany ny tsy maintsy hanavaozana ny kaomisaria ao amin’ity distrika ity. Izany no natao dia ho fanamafisana ny fiarovana ireo mponina, hialana amin’ny fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy amin’izao voina mahazo ny faritra izao.
Efa nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity ny minisitry ny Fiaraovom-pirenena, nyJeneraly Rakotonirina Richad, no mitarika ireo miramila manatanteraka asa famonjena any an-toerana. Ny 17 febroary teo, ohatra, dia ny kaomina Vohipao, faritra Vatovavy no nisitraka izany. Nanatitra ny fanampiana tany an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana avy any amin’ny faritra. Nitafatafa tamin’ireo vahoaka tao Vohipao ihany koa ny tenany, nahafahana nihaino sy namantatra ny filan’izy ireo taorian’ny fandalovan’ny rivodozaBatsirai, ka namela takaitra mavesatra tamin’ity tanàna ity. Faly ary velom-bolo tanteraka ny vahoaka nandray ireto fanampiana : vary, menaka, voamaina, ronono, odimoka sy kojakoja maro samihafa. Notolorana fanafody ihany koa ny CSB2 ao Vohipao mba hahafahan’ny mponina misitraka fitsaboana maimaimpoana. Marihina fa ny fanaterana ireo fanampiana no andraikitry ny Minisitra sy ny delegasiona miaraka aminy. Nanatanteraka izany ny miaramila avy ao amin’ny Fari-piarovana sy fandriam-pahalemana, na ZDS Matitanana.Tsymijanona hatreo ny andraikitry ny Tafika fa miara-misalahy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany koa ireo miaramila mpitsabo manao vonjy aina sy fizaham-pahasalamana ny vahoaka any an-toerana.
T.M.