« Hanohy ny ezaka efa natomboka, ary hitondra fanatsarana hatrany ny asa. Ny toky fitaka fa ny atao no hita », hoy ny Sekretera Jeneraly (SG) vaovao eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, Savatsarah Raby Gabrielle Ain’Harimanga, izay voatendry nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra natao alarobia lasa teo. Tontosa omaly maraina teny Faravohitra ny fifamindrana arak’asa teo aminy sy ny SG teo aloha izay lasa Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona Imbiki Herilaza.
Maro ireto teboka nosinganin-dramatoa sekeretera jeneraly, momba ny Fitsarana amin’ny ankapobeny sy ny Fandraharahana ny Fonja. Ohatra fotsiny ny tsy fahampian’isa eo amin’ireo mpitsara sy ireo mpiandry Fonja. Efa mandeha ny ezaka, ary vonona ny tenany hitondra aina vao hanatsara hatrany ny asa. Ohatra amin’ireny ny fananganana fotodrafitrasa vaovao, sy ny fanadiovana ary ny ady amin’ny kolikoly.
Marihina fa efa nitazona ny andraikitra Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana nanomboka tamin’ny Febroary 2019 izy, izao voatendry ho sekretera jeneraly izao. Maro ireo andraikitra sy asa sahaniny, raha tsy hitanisa afa-tsy ny maha mpampianatra azy ao amin’ny Sampam-pampianarana Lalàna ao amin’ny Oniversite an’Antsiranana nanomboka tamin’ny Jolay 2018, sy mpampiofana ao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) nanomboka tamin’ny volana May 2017. Voalohany izy tamin’ny andiany faha-5 izay nivoaka tao amin’ny ENMG tamin’ny taona 2008 ary voalohany ihany koa tamin’ny andiany faha-5 nahazo ny marim-pahaizana « Maitrise en Droit et administration publique » tao amin’ny Oniversite an’i Fianarantsoa tamin’ny taona 2004.
Yv Sam