- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanatsarana ny fifidianana solombavambahoaka : Nanafatra ireo kandida teto Toamasina ny ADOPT

Fanatsarana ny fifidianana solombavambahoaka : Nanafatra ireo kandida teto Toamasina ny ADOPT

Ny fikambanana ADOPT, na « Association des Originaires de la Province de Toamasina », nampiantso ireo kandida teto Toamasina nampitan’izy ireo hafatra, amin’ny maha Raiamandreny azy ireo. Nampitain’ity ADOPT ity ary ny maha-zava-dehibe ny fifidianana solombavambahoaka atao tsy ho ela, ka tokony hisy ny fifanajana eo amin’ireo samy kandida, satria zava-dehibe amin’ny fiainam-bahoaka izany fifidianana solombavambahoaka izany, noho izy ireo hifidy lalàna tonga eny Tsimbazaza eny. Ilaina noho izany ny fanarahana ny lalàna, toy ny lalampanorenana sy ireo didy aman-dalana samy hafa misy eto amintsika mikasika ny fifidianana. Tsy tokony hitsabaka amin’ny fifidianana ny fanjakana fa hampitovy tantana sy marindrano ireo kandida rehetra misy sy nekeny. Mila hajaina ny fihavanana sy ny firaisam-pirenena hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy tokony hisy ny fiandaniana amin’ny haino aman-jerim-panjakana amin’ny famoaham-baovao amin’ireo kandida nekena rehetra. Tokony hatao mangarahara ny loharanom-bola ampiasaina mandritra ny fampielezan-kevitra hialana amin’ny fanadiovam-bola maloto eto… Ary tena laharam-pahamehana dia tsy tokony hifanala baraka sy hiditra amin’ny fiainan’ny kandida manokana ny samy kandida mandritra ny fampielezan-kevitra. Nomarihan’ny ADOPT hatrany fa raha misy ny tsy maha-afa-po ny tsirairay na fitoriana tokony hatao noho ireo tsy mety tsikaritry ny kandida na ireo mpanohana azy, dia ny fanarahana ny lalàna ihany no tokony hatao, fa tsy hamboly korontana sy fanakiana be fahatany. Ny fanirian’ny ADOPT dia ny hisian’ny filaminana aoriana ny fifidianana hitranga fa tsy toy ireo firenena afrikana izay miteraka ady ny fifidianana atao, ka mila manaja lalàna sy manaraka ny tena marina ihany koa ny fanjakana fa tsy izy indray no hiteraka korontana eto amin’ny tany sy ny Firenena.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici