- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanavaozana « port d’arme » : Mihoatra ny telo volana, misy...

Fanavaozana « port d’arme » : Mihoatra ny telo volana, misy fitarainana

Olona maromaro no nandefa taratasy fitarainana taty amin’ny gazety mahakasika ny fitavozavozan’ny famoahana taratasy momba ny fanavaozana ny fahazoan-dàlana hitazona sy hampiasa fitaovam-piadiana sokajy faharoa sy fahatelo. “Gaga sy talanjona izahay noho ny fitavozavozan’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany eo amin’ny fanatanterahana ny fanomezana ny taratasy, satria feran’ny lalàna ny fitazoana sy fampiasana ireny fitaovana ireny (…) eo amin’ny telo volana ihany matetika ny faharetan’ny fikarakarana ny taratasy, kanefa ankehitriny dia efa mitatra tanteraka izany (…) mitaraina araka izany izahay, satria betsaka ny taratasy tokony nohavaozina, nefa mbola tsy nankatoavin’ny tompon’andraikitra ihany hatramin’izao”, raha araka ny sombiny tao anatin’ilay taratasy fitarainana. Ny vokatr’izany dia lasa tsy ara-dalàna intsony ny fitazomana basy ho an’ireo izay mbola tsy vita fanavaozana taratasy, izay marihina fa isan-taona no hatao izany. Raha sendra misy fanafihan’olon-dratsy izany ka mba niaro tena ny tompon’ny basy dia io farany indray no mety henjehin’ny lalàna manan-kery, satria tsy vaovao ny taratasy fahazoan-dàlana nampiasainy. Raha ny tokony ho izy, raha araka ny fanazavana hita tao amin’ilay fitarainana, dia ny faran’ny volana martsa farafahatarany no mivoaka io fanavaozana, izay hatao isan-taona, io ary azo ampiasaina mandritra ny taona iray. Hatreto anefa, ny amin’ity taona 2017 ity, dia mbola tsy nivoaka izany ka lasa mampihorohoro ny olona tokony hitazona basy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici