- Publicité -
mardi, décembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversFandalovan’ny filoham-pirenena teto Toamasina : Feno soratra “hafahafa” ireo fefin’olona tamin’ny lalana...

Fandalovan’ny filoham-pirenena teto Toamasina : Feno soratra “hafahafa” ireo fefin’olona tamin’ny lalana nandalovany

Amin’ny ankapobeny dia nilamina ny fandalovan’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery teto Toamasina, omaly alatsinainy 23 aprily, nandritra ny fiatrehany niaraka tamin’ny masoivoho japonais mpamatsy ny vola, tamin’ny fametrahana ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina izay haharitra valo taona (hatramin’ny taona 2026). Tao anatin’izay anefa dia nisy ihany indro kely; raha nokasaina hatao tao amin’ny Ivon- toerana CRJS ny kabary ho an’ny vahoakan’i Toamasina tokony hataon’ny filoha, dia voatery natao teny amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy izany noho ny zava-nisy tao amin’ity Ivon-toerana CRJS ity, izay feno soratsoratra milaza ny fialany sy “ompa” samihafa tao, teo koa ny feo efa nandeha hatramin’ny alahady 22 aprily teo fa hisy andian’olona hanakorontana hitondra sorabaventy ny fandalovany tao, izay saika hametraka ihany koa ny vato fehizoron’ny fanamboarana ny toeram-pilanonana izay hany tokana eto Toamasina ela nahasimbana hiarahana amin’ny Spat, sy hitokana ilay kianja mitafo namboarina simban’ny rivodoza Ava namboarin’ny seranan-tsambo ihany koa. Ankilan’izay, dia saika nahitana io soratsoratra hafahafa izay natao tamin’ny “loko mena” io avokoa ireo rindrina tamin’ny lalana nizoran’ny filoha hamonjy ny seranan-tsambo nanatanteraka ity fametrahana ny vato fehizoro ny fanombohan’ny asa eo anivon’ny Spat ity. Ankoatra izay dia nisy andian’olona ihany koa efa niandry ny fandalovany teo anoloan’ny ladoany Toamasina izay lalana niazo ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay nihorakoraka ny tokony hialany amin’ny fitondrana. Tamin’ireo zava-drehetra ireo anefa dia nandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana teto Toamasina, namafa ny sasany tamin’ireo soratsoratra, sy nanaisotra ireo andian’olona nihorakoraka ireto. Araka ny vaovao azo aloha, dia tsy nisy ny fisamborana nataon’ireto mpitandro ny filaminana ireto.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici