- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFandefasana olona an-tsokosoko any ivelany : Voasambotra ny atidoha, miaraka amin’ny tomponandraiki-panjakana...

Fandefasana olona an-tsokosoko any ivelany : Voasambotra ny atidoha, miaraka amin’ny tomponandraiki-panjakana iray

Natolotra ny Fampanoavana omaly ireo olona miisa valo mianadahy, voarohirohy amin’ny resaka fandefasana olona an-tsokosoko any ivelany. Ka anisan’izany ny ramatoa iray, voatondro ho atidoha mikotrika ity afera maloto ity, niaraka tamin’ny tomponandraiki-panjakana mpiray tendro amin’izy ireo. Ravan’ny pôlisy indray aloha ny tambajotra mpanondrana olona an-tsokosoko any ivelany. Niainga avy tamin’ny fitoriana napetraky ny olona iray, saika handeha any ivelany, nahatsiaro tena ho voasoloky volabe, ny famotorana, ka nahafahana nanapaingotra ireto olon-dratsy ireto. Araka ny fampahafantarana nataon’ny pôlisy, omaly teny Anosy, dia teny Mahamasina no voasambotra ny vehivavy iray, atidohan’izao tranga izao, rehefa nanaovana vela-pandrika. Raha ny fanazavana azo hatrany mantsy dia tsy tratra tao amin’ny trano voatondro ho foiben’ity tambajotra ity io vehivavy io tamin’ny fotoana nidinan’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Tsy nisy afa-tsy fitaovana sy karazan- taratasy maromaro hosoka, toy ny solosaina, tombokasem-panjakana eto an-toerana sy an’ny Repoblikan’i Kaomoro, karapanondro, kôpia, pasipaoro, fanamarinam-ponenana, “casier judiciaire”, sy ny maro hafa, no sarona tao amin’ilay toerana. Taorin’ny fanadihadiana no nisamborana ireo olona mpiara-miasa aminy sy mpiray tsikombakomba. Anisan’izany ilay tomponandraiki-panjakana, izay misahana manokana ny fanadiovana ireo taratasy hosoka rehetra, ka hivoahan’ny karapanondrom-pirenena avy eo. Raha ny fomba fiadin’izy ireo dia tsotra ihany. Efa fantatra mantsy fa voararan’ny Fanjakana hatreto ny fandefasana olona any amin’ireo tany arabo, toy ny Arabie Saoudite, Liban ary Kôweït. Alefan’izy ireo ao Kaomoro aloha ireo olona haondrana ireo, izay vao mihazo ireo toerana ireo. Araka izany, vesatra maromaro ihany no hiampangana azy ireto. Ao anatin’izany ny fanaovana sy fampiasana hosoka, fandefasana olona an-tsokosoko any ivelany, ary ny fisolokiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser