- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFandefasana olona tany Mayotte : Nosamborina ilay ramatoa tompon’andraikitra 

Fandefasana olona tany Mayotte : Nosamborina ilay ramatoa tompon’andraikitra 

Voasambotra i Maria rehefa nokarohina sy natao hazalambo. Izy no tompon’andraikitra tamin’ny fandefasana olona hiditra an-tsokosoko tany Mayotte. Rendrika anefa ny vedety nitatitra azy ireo, ka nahafaty an-dranomasina ny olona valo (tamin’ny 21 nentina) ny 18 oktobra tamin’ny taon-dasa. Valo volana taty aoriana, azon’ny zandary teo amin’ny toerana antsoina hoe « pont Joby », fokontany Jabala, ao Nosy-Be, ilay ramatoa. Raha tsiahivina dia namoahan’ny zandary filazàna fikarohana izy io nanomboka ny 11 novambra 2020 (fotoana nahitàna ireo sisa velona) saingy izay vao sarona. Olona tsara sitrapo no nahafahana nahita azy fa tsy nitolo-batana akory, raha araka ny zandary. Feno ny porofo anenjehana azy, araka ny fikarohana natao sy fijoroana vavolombelona nataon’ireo voakasika mivantana sy ny fianakavian’ireo olona niondrana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici