Olona telo no fantatra fa nalefa vonjimaika any am-ponja, mikasika fandefansa antsokosoko vehivavy hiasa any ivelany. Lehilahy vahiny mizaka ny zom-pirenena yemenita sy vehivavy malagasy roa no no voarohirohy nandefa vehivavy 25 any Arabie Saoudite. Ny vaovao fantatra no hilazana fa voafitaka ireto olona ireto. Vehivavy iray no mitady ireo olona handeha hiasa any ivelany. Amin’izany, milaza io ramatoa io fa hivarotra amina botika lehibe any Tanzanie no hilana azy ireo. Maro ny roboka. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa rehefa tonga any amin’io firenena afrikana io dia giazana avy hatrany pasipaoron’ireo vehivavy ireo ary terena handeha any Arabie Saoudite. Sarona anefa ny zavatra nataon’izy telo ireo. Vadina vehivavy iray tratran’ny fosolokiana no nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana. Nandeha ny fanadihadiana ka ilay vahiny no tratra voalohany. Taorin’izany nanoro olona iray naira-niasa taminy izy. Ity farany ity nilaza fa misy olona hafa miaraka amin’izy ireo. Io no mpanamboatra ny taratasy hosoka rehetra. Rehefa nosavaina ny tranony, dia nahitana pasipaoro maromaro sy tapakila fandehanana fiaramanidina nandefanasa ireo vehivavy.
r.s.