- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversFandehan’ny rà tsy mety mijanona : Mbola sarotra ny mitsabo azy

Fandehan’ny rà tsy mety mijanona : Mbola sarotra ny mitsabo azy

Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny “hémophilie”, na ny fandehan’ny rà tsy mijanona. Isan’ny nanamarika izany isika ka tetsy amin’ny hôpitaly HJRA no natao, niarahana tamin’ny fikambanana Abehm, na ny fikambanana miahy ireo olona tratry ny aretina “hémophilie” eto Madagasikara. Nisy araka izany ny fampahafantarana ity aretina ity ho an’ireo olona tonga nanatrika teo, narahin’ny hetsika maro isan-karazany. Fantatra tamin’izany fa ny ankizikely no tena tratran’ity aretina ity, indrindra fa eo amin’ny fotoana fanaovana hasoavana. Mbola sarotra ny fitsaboana ity aretina ity, ary ambonin’izay dia lafo ny fitsaboana, raha ny fanazavana azo. Izay anisan’ny antom-pisian’ny fikambanana Abehm, izay efa manana mpikambana eo amin’ny 150 mahery eo. Omaly, natomboka tamin’ny fiaraha-mivavaka ny fotoana, taorian’izay ny fampanidinana ireo balaonina mena, izay efa fomba fanao mahazatra. Mbola mitohy androany ny fankalazana ary hofaranana rahampitso alahady, amin’ny fiaraha-mikorana eny amin’ny “espace Orient” Ankadidratombo, hiarahan’ireo mpikambana. Amin’izay fotoana izay ihany koa no handraisana ireo malala-tanana, vonona hanampy ity fikambanana ity, amin’ny fanampiana ireo olona mararin’ny “hémophilie”.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser