Olona roa no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny sakana ara-pahasalamana tao Fenerivo atsinanana, tao amin’ny fokontanin’i Namahoaka, ny alin’ny alatsinainy 06 jolay teo nifoha ny talata 07 jolay. Tsy iza izy ireo, fa ilay mpamily sy ny mpanampy azy tamin’izay, ny antony dia ny fitondran’izy ireo olona 08 an-tsokosoko avy aty Toamasina hiditra ny faritra Fenerivo atsinanana. Raha ny fanazavana moa dia nafenina tao ambadika garaba ireto olona ireto nandritra izany mba hanasarotra ny fisavana, saingy izao tratra izao ihany noho fahamailoan’ny mpitandro ny filaminana. Nandritra ny fahatrarana ireto olona ireto dia nogiazana avy hatrany ny fiara ary naverina aty Toamasina niaingany ireto olona 08 tratra ireto, izy roa lahy nitondra azy ireo kosa avy hatrany dia nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Ny antony dia ny lalam-pirenena faha-05 mbola mikatona amin’ny fitaterana olona afa-tsy ny entana ihany no afaka mandeha, amin’izao ady atao amin’ny Covid-19 izao. Niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Fenerivo atsinanana izy roa ireto, ka taorian’ny fandinihan’ny mpitsara ny raharahan’izy ireo, dia nivoaka ny didy savaranonando, fa miandry fitsarana am-ponja ao Fenerivo atsinanana izy roa lahy ireto noho ny fandikan-dalana nataony.
Malala Didier