Nivoaka ny tatitra voalohany teo amin’ny vondrom-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana. Nandritra izany no namoahan’izy ireo fa tamin’ity taona 2019 ity dia zandary 04 no voatery naiditra am-ponja noho ny fandikan-dalana nataon’izy ireo. Nisy ireo nifandray tendro tamin’ny andian-jiolahy. Teo kosa ireo nandika ny lalam-piarahamonina tsotra izao. Zandary iray koa, araka ny voalazan’ny tatitra, no voatery nafindra toerana noho ny sazy, ary miisa 45 ireo zandary voatery nosazina anatiny noho ny fandikan-dalana mifehy ny zandarimariam-pirenena. Nisy zandary Atsinanana 20 ihany koa nahazo fankasitrahana ny asany sy ny andraikitra tontosa nankinina taminy. Ankilan’izay, araka ny voalazan’ny tatitra hatrany, dia antso vonjy miisa 98 no voarain’ny zandary Atsinanana ka ny 78 tamin’izany nanaovan’izy ireo fisahanana izay saika nahazoam-bokatra avokoa. Nahitana fitomboana ihany koa ny fisahanana ny halatra lavaninina tamin’ity taona ity, satria raha 19 izany ny taona 2018 dia niisa 56 be izao izany tamin’ity taona ity. Ireo heloka hafa kosa dia nahitana fihenana teo anivon’ny zandary. Isan’izany aloha ny tsy fisian’ny fakana an-keriny tamin’ity taona ity. Teo koa ny fihenan’ny fanafihana toerana misy vola izay tsy nisy afa-tsy 02 tamin’ity taona ity raha niisa 07 izany ny taona 2018. Ny halara taolam-paty izay 03 monja tamin’ity taona ity raha 09 izany ny taona lasa. Ary ny fitsaram-bahoaka dia nihena ho 04 ny raharaha nosahanin’ny zandary raha niisa 09 izany ny taona 2018, ka ny tao Vatomandry – Mahanoro no tena nahitana izany, hoy ny zandary Atsinanana. Ankoatra izany dia nahitam-bokatra koa ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandary Atsinanana sy ny andrimasom-pokonolona tamin’ny fisahanana ny filaminam-bahoaka isam-pokontany teto Toamasina tampon-tanàna. Fokontany 04, Tsarakofafa – Tsararivotra – mangarano – Ambalamanasy, no nametrahan’ny zandary ny olombelony tao anatin’ny 02 volana ny “poste fixe”. Mbola tohizana ny ezaka, hoy ny zandary, raha mangataka “poste avancée” ny andrimasom-pokonolona, noho ny tsy fandriampahalemana sy ny fampiasana basy ataon’ireo jiolahy.
Malala Didier