Raha ny hita tato ho ato, dia nihamaro loatra ireo fitairanana isan-karazany ataon’ny mpanjifa amin’ireo taxibe miasa eto an-drenivohitra, mahakasika ireo fandikan-dalàna isan-karazany ataon’ireo « chauffeur » sy « receveur ».
Tsara anefa ny manamarika fa tsy mitazam-potsiny na minia manampi-tsofina ireo tompon’andraikitra, indrindra fa ny eo anivon’ny Fikambanan’ny kaoperativam-pitaterana an-tanan-dehibe na ny UCTU fa efa misy ny paik’ady sy dingana natao : fanolorana volavolana bokin’andraikitra vaovao eny anivon’ny kaominin’Antananarivo. Raha ny filazan’ny Filoha mpisolo toerana eo anivon’ny UCTU, Atoa Rakotonirina Jean Louis Émile mantsy dia efa bokin’andraikitra lany andro (2018) tsy mifanaraka amin’ny zava-misy iainana amin’izao intsony no hampiasaina, hany ka manao izay danin’ny kibony ny rehetra. Ao anatin’ity bokin’andraikitra vaovao ity dia mazava tsara ny fifanarahana eo amin’ny kaominina sy ny kaoperativa ary ny tompon’ny fiara, hiasàn’ireo mpamily sy ny mpanampy. « Tsy misy sahy hikinanga intsony ny rehetra rehefa mazava tsara io fifanarahana io ».
Tetik’asa « Grand Tana »
Ankoatr’izay, nanisy tsindrim-peo ihany koa ny teo anivon’ny UCTU, mahakasika ilay tetikasam-pitaterana « Grand Tana », izay nanaovana fikaonan-doha lehibe tetsy Ivato ny volana lasa teo. « Tsy hoe mandà fivoarana izahay saingy misy ireo teboka tokony ahitsy sy tokony ho jerena miaraka ao anatiny » hoy hatrany ity Filohan’ny UCTU ity. Anisan’ny voarakitra ao anatin’io tetik’asa io mantsy ny fanesorana ny fitantanana ny fitanteram-bahoaka eto an-drenivohitra amin’ny kaominina ambonivohitr’Antananarivo ary ny hanambarana izany ao amin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT, ankoatry ny fametrahana ilay « bus » zotra filamatra, hiasa amin’ireo lalam-be na rocade eto an-drenivohitra. Mazava ny tenin’ny UCTU, araka ny filazan’ity Filohany mpisolo toerana ity fa mandà izany fanovàn-drafitra izany izy ireo. « Aleo ny CUA ihany no hitantanana ny fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra ary tsy ekenay velively ny hakàna ny volan’ny CUA amin’izany ka omena sampan-draharaha hafa » hoy izy ireo.
m.L