- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFandorana fitsaràna : Nidoboka am-ponja i Niola

Fandorana fitsaràna : Nidoboka am-ponja i Niola

Omaly misandratr’andro no nandalo teo anivon’ny tonia mpampanoa lalàna ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ilay raharaha fandorana ny efitranom-pitsarana ka nahamay ny sezan’ny filohan’ny fitsarana sy ny sainam-pirenena tao anatiny. Raha ny fanazavana azo dia nohamafisin’ity tovolahy ity fa noho ny hatezerany amin’ny fanemoran’ny fitsarana lava ny raharaha mahakasika ny sakaizany, izay voarohirohy noho resaka halatra izay ambarany fa endrikendrika ara-piaraha-monina fotsiny, no nanosika azy nanaitra ny sain’ny fitsarana sy ny mpitsara tamin’ny fanaovana iny fihetsika nandoro efitranom-pitsarana sy ny sezan’ny filohan’ny fitsarana ary ny sainam-pirenena iny. Voamarin’io angom-baovao io ihany, fa salama saina tsara sy vory saina tamin’ny fihetsika nataony ity tovolahy 23 taona ity nandritra izany; ka taminy raha mbola mijanona any am-ponja noho ny fihemoran-dava ny raharahan’ny sakaizany dia ny hanaraka azy any no tanjony nanaovany izao heloka “bevava” izao. Samy nanana ny nandraisany ity raharaha ity ireo mpanan-draharaha eo anivon’ny fitsarana rehetra; tao ny nilaza fa “nahasahy ny fitsarana mampijaly vahoaka iny tovolahy iny”; teo kosa ireo milaza azy ho adala satria miady amin’ny “manam-pahefana”. Ny zava-misy aloha dia mety tsy ho voalohany sy tsy ho farany iny, ka ny hatahorana dia ireo mpitsara manao ny asany mihitsy no “tra-doza” amin’ireo mpanan-draharaha sy hiaran’ny hatezeran’ny olona amin’ny fitsarana sy ny didy havokany.

Ankoatra izay ihany koa, raharaham-pitsarana hafa indray, dia ny faha-13 ny volana septambra izao kosa no hahafantatra ny saziny ireo zandary telo lahy avy any Fenoarivo Atsinanana, izay voarohirohy tamin’ny fakana vola tsy ara-dalana tamin’ireo fianakaviana dimy mianadahy tao Maromitety Vavatenina, tratran’ny polisy am-bodiomby tamin’ny resaka taolam-paty miisa 35…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici