- Publicité -
mardi, février 10, 2026
AccueilFaits-DiversFandorana olona velona tao Sahanivotry :  Nambara fa tsy nisy zaza tao...

Fandorana olona velona tao Sahanivotry :  Nambara fa tsy nisy zaza tao ankibon’ilay ramatoa nisy namono

Ny datin’ny 7 febroary 2026 no namongarana ny razana ka nanaovana fizahana ilay ramatoa nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Araka ny vaovao nampitaina nandritra ny valandresaka natao ho an’ny  mpanato gazety ny harivan’ny alahady lasa teo dia nanambara ny teo anivon’ny OMC tamin’ny alalan’ny lehiben’ny fampanovana fa tsy nisy zaza tao ankibon’ilay ramatoa raha ny filazan’ny tatitry ny dokotera nanao ny fizahana. Nanambara koa ny vadiny fa nanao fanabezana aizina Ratompokovavy tamin’ny fahavelomany. Nanamafy kosa anefa ny dokotera fa maty novonoina ilay ramatoa ary notriarina tamin’ny zava-maranitra ny kibony hatreny amin’ny foto-peny izany hoe novonoina tamin’ny fomba feno habibiana mihitsy. Nanamafy ny lehiben’ny fampanoavana fa raha misy olona manana vaovao afaka manamarina fa nisy ilay zaza nesorina tao an-kibon’io ramatoa na manana vaovao hafa makasika ity raharaha ity dia aoka hanantona tompon’andraikitra fa hotazomina ho tsiambara telo izany.

Olona enina no voasambotra tamin’io resaka famonoana ilay ramatoa io, telo vavy ary telo lahy. Notazomina tao amin’ny tobin’ny zandary tao Tsarahonenana  Sahanivotry izy ireo saingy notadiavin’ny olona hatao fitsaram-bahoaka. Nalefa teto Antsirabe haingana izy telo vavy raha toa ka nafenina tao amin’ny kaominina kosa izy telo satria saika hodoran’ny fokonolona ny biraon’ny zandary nitazomana azy ireo. Nisy nahalala anefa fa ao amin’ny  amin’ny kaominina izy telo lahy ary niriotra tany fokonolona, ary iny niafara tamin’iny fitsaram-bahoaka mahatsiravina iny raharaha.

Roa no vasambotra hatreto mahakasika ilay fandorana olona velona, isan’izany ilay ramatoa nanondraka lasantsy sy nandrehitra ny afo. Mitohy ny fanadihadiana ary tsy hitsahatra hatreo ny fisamborana, fa arakaraky ny fiovan’ny toe-draharaha, tsy voatery ho fanamelohana ny fisamborana fa hitandrovana ny ain’izy ireny no hanaovana izany hoy hatrany ny fanazavana.

Miisa 50 ireo mpitandro filaminana  polisy sy zandary nalefa ao Tsarahonenana Sahanivotry hamerina  amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ao Tsarahonenana Sahanivotry. Efa nisy ihany koa ny fifampiresahana tamin’ny olobe sy ny vahoaka  any an-toerana, tapaka tamin’izany fa hisy ny fombafomba na joro hatao hamerenana ny soatoavina Malagasy sy hasin’ny tany.

Tsy marina ny filazana sy resaka mandeha amin’ny tambajotran-tserasera fa velona ny iray tamin’izy telo lahy fa maty avokoa. Niakatra fampanoavana omaly alatsianiny kosa ireo telo vavy voarohiroy tamin’ny famonoana ilay ramatoa voalaza fa bevohoka.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter