- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFandorana vazaha tany Nosy-Be : Hotsaraina mandritra ny telo andro ireo 37...

Fandorana vazaha tany Nosy-Be : Hotsaraina mandritra ny telo andro ireo 37 voarohirohy

Nifatotra rojovy ny ankamaroany ary amin’ny endrika kivy tanteraka no nahatongavan’ireo olona 37 izay nigadona teny Anosy omaly. Hotsaraina mandritry ny telo andro izy ireo, raha araka ny fanamarihan’ny fitsarana ady heloka bevava; izay miadidy rahateo ity raharaha ity. Efa roa taona ireo olona ireo no notazonina am-ponja ary efa nisy ihany fihainona kely azy ireo tamin’ny fitsaràna, saingy izao vao tena nisokatra amin’ny fomba ôfisialy izany raharaham-pitsarana izany. Hipoka olona ny efitranon’ny fitsarana ady heloka bevava. Tao ny fianakaviana ary tao ihany koa ny olona maro izay liana tsotr’izao fotsiny momba ity raharaha ity. Mizara roa ny fiampangana ireo olona. Ny sasany dia noho ny fanafenana olona, fampijaliana azy ireo ary koa ny famonoana. Ireo dia ahiana mafy ny hahazoany ny sazy faran’izay mafy, dia ny figadràna mandra-pahafaty izany. Ny hafa indray dia noho ny tsy fandraisana andraikitra eo anoloan’ny olona mila vonjy. Amin’ity fiampangana ity, dia tafiditra ao anatiny ny zandary roa izay niasa tany Nosy-Be ary nahita ny zava-nitranga. Mbola hifandimby sy hohadihadian’ny fitsaràna izy rehetra ireo mandritra ny roa andro. Raha tsiahivina, dia tamin’ny volana oktobra 2013 no nitranga ity fandorana velona ity. Izany dia taorian’ny nahavery ny zaza iray ka nahitàna faty azy teny amoron-driaka. Teo dia ireo vazaha roa sy gasy iray no nampangain’ny vahoaka ho tompon’antoka tamin’izany. Niafara tamin’ny fandorana velona ireo teratany vahiny sy famonoana ho faty ilay malagasy izany toe-javatra izany. Nahoraka eran’izao tontolo izao ny zava-nitranga; izay nahatonga ny fisamborana olona maro, dia ireo 37 voalaza etsy ambony izany. Nanaratsy endrika ny lazan’i Nosy-Be izay mivelona tanteraka amin’ny fizahantany ilay heloka bevava. Maty mihitsy izany sehatra izany nandritra ny herintaona ary torak’izany ihany koa, nisy ny fidinan’ny mpanao fanadihadiana vahiny, mba hijery akaiky ny raharaha. Izany aza no nitarika ny fisamborana ireo olona maro, tamin’izany fotoana. Harahina ny fivoaran’ny raharaham-pitsarana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici