- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFandoroana ny Rovan’Ambohidratrimo : Olona valo no efa nohenoina

Fandoroana ny Rovan’Ambohidratrimo : Olona valo no efa nohenoina

Mizotra miandalana ary inoana fa tsy ho ela, dia hisy vokany ny fanadihadiana mahakasika ilay famahazain’ny Rova teny Ambohidratrimo. Raha ny fantatra hatreto, dia olona valo teo no efa nohenoina teny anivon’ny zandary teny an-toerana. Nanomboka tany amin’ireo mpiambina ny vohitra, ireo olona nanatri-maso voalohany ny zava-nisy ary ireo mponina teny an-toerana. Marihina anefa fa tsy mbola misy olona ahiahiana na hoe voatazona akory, hoy hatrany ny tomponandraikitry ny zandary amin’iny faritra iny. Mbola eo am-pitrandrahana ireo loharanom-baovao rehetra mety hahitana izay marina izahay amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana hatrany. Amin’izao fotoana izao ihany koa, dia mandeha ny feo fa misy ifandraisany amin’ny fiparitahan’ireo fiangonana zandriny ity resaka ity. Tonga hatrany amin’ny hoe efa misy mikononkonona handoro ihany koa ny Rovan’Ambohimanga. Raha nanontaniana momba ity feo mandeha ity zandary, dia nilaza fa tsy mbola misy tatitra voaray momba izany aloha ao amin’izy ireo. Na izany aza anefa dia manohy hatrany ny fisafoana sy mety ho fisorohana izany izy ireo. « Tsy anjaran’ny zandary ny mijoro miambina ireny toerana misy ny vako-pirenena ireny, fa efa misy olona notendrena amin’izany. Na izany aza anefa, ny faritra misy azy kosa dia ao anatin’ny fari-piadidianay tanteraka. Noho izany dia tsy maintsy misy ny fisafoana sy fisavana ireo olona mety mampiahiahy eny an-toerana » hoy hatrany ny loharanom-baovao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici