Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no notakian’ireto olon-dratsy tamin’ny raim-pianakaviana iray, raha tsy izay dia hovonoin’izy ireo ho faty ity farany sy ny fianakaviany. Soa ihany, nandray andraikitra avy hatrany ny polisy. Lehilahy iray sy vehivavy iray, mpivady, no voasambotra tetsy Androndra ary tovolahy iray tetsy Ampamantanana. Voarohirohy noho ny resaka fandrahonana ho faty sy fisolokiana avo lenta izy ireo, izay nahalasibatra raim-pianakaviana iray. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy dia tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra ity farany rehefa nisy niantso tamin’ny laharana miafina, “milaza fa mila mandoa vola 10 000 000ar izy fa ananan’ilay olona niantso vola ny zanany ka raha tsy manome izany amin’ny fotoana voatondro izy dia hovonoin’izy ireo ho faty. Mbola nandeha hatrany ny fandrahonana taorian’io antso io ka nilaza ireto olon-dratsy fa fantatr’izy ireo avokoa na ny toeram-piasana na ny toeram-ponenan’ilay rangahy, ka hopotehiny sy ho dorany raha tsy hanome ilay vola”. Nentin’ny fahatahorana moa ity farany ka nangataka mpitandro filaminana hiaro azy. Nandritra izany ihany koa anefa dia efa nanao ny fanadihadiana rehetra sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo polisy. Vokatr’izay no nahafantarana fa mipetraka eny amin’iny faritra Androndra iny ny tompon’ilay laharana miafina sy ireo niantso. Nidinan’ireo mpitandro filaminana avy hatrany teny ka tra-tehaka teo ireo mpivady. Ireto farany indray no nanoro fa mbola misy naman’izy ireo eny Ampamantanana. Marihina, hoy ny vaovao, fa efa mpisoloky gaigilahy raha ireto olon-dratsy ireto, satria dia toy izany hatrany no tetik’adin’izy ireo. Entim-pahatahorana izay lasibatra ka manome vola tsy fidiny. Natahotra mafy moa ity raim-pianakaviana ka niantso ny polisy hiaro azy. Nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka teny Androndra no tratra ny vehivavy 34 taona sy Lehilahy 24 taona ( mpivady) izay niantso ilay raim-mpianakaviana. Notondroin’izy ireo ihany koa ny tovolahy iray 19 taona izay niray tsikombakomba taminy ka voasambotra teny Ampamantanana. “Nandritra ny famotorona ihany koa no nahalalana fa fidian’ireto voasambotra ny olona ampihorohoroiny toy izao, ary tsy vao sambany izy ireo no mitady fomba ratsy hahazoana vola aman’olona fa efa betsaka ny olona tratrany”. Ary ny loza dia mazana olona efa voan’izy ireo tamin-javatra hafa tany aloha ihany no iverenenany indray, toy ity raim-pianakaviana ity, izay tsy vao izao no lasibatra. Mazava ho azy fa mampiasa fanafody gasy ireto farany, izay sarona niaraka tamin’izy ireo. Mbola mandeha moa ny famotorana ireto mpisoloky ireto ao amin’ny biraon’ny mpanao fanadihadiana.
m.L