- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFandrahonana ho faty : Roalahy mitonona ho mpikambana ao amin’ny « Daesh...

Fandrahonana ho faty : Roalahy mitonona ho mpikambana ao amin’ny « Daesh » voasambotra

Lehilahy roa, teratany malagasy, voalaza fa mpikambana ao amin’ilay vondron’ny mpampihorohoro eran-tany Daesh no nosamborin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fanazavàna azo dia « nisy olona tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika faharoa etsy Anosy fa nahazo fandrahonana avy amin’ny olona iray mitonona ho mpikambana ao amin’ny Vondrona mpampihorohoro Daesh ». Voalazan’io hafatra fandrahonana io fa hoe « hovonoinay ianao sy ny fianakavianao » ary izany dia narahina sonia izay milaza fa « izahay dia mpikambana ao amin’ny Daesh ary manana fitaovam-piadiana maro sy  « element » maro ». Eo anatrehan’ny fihanak’ity asa fampihorohoroana eran-tany, ary mety ho voakitika amin’izany ny eto amintsika, ity dia tsy nandray izany am-pahamaivanana mihitsy ireo mptandro filaminana. Nandeha avy hatrany ny famotorana sy ny fanadihadiana. Tamin’ny alalan’ny finday nandefasana ny hafatra no niatombohan’ny fikarohana rehetra ka tra-tehaka tamin’izany ny lehilahy tompon’ilay finday.  « Natao ny fikarohana ka tratra tamin’ny alalan’ny fitsirihana ny finday ny lehilahy iray monina eny Ankorondrano », hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Tamin’ny fanadihadiana azy dia fantatra fa niaiky tokoa ity farany fa tompon’ilay finday. Nandà kosa anefa izy fa tsy azy ilay laharana nandefa ilay hafatra satria « tsy niala teny aminy mihitsy ny findainy ». Saingy kosa nolazainy fa « nisy lehilahy iray izay zaodahiny taloha notondroiny fa efa nisy fotoana nindrana ny findainy ». Niroso tamin’ny fisamborana ity lehilahy voatonona ity araka izany ireo mpitandro filaminana. Omaly no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto roalahy, mpandrahona olona milaza fa mpikambana ao amin’ny Daesh ireto. Hatreto dia tsy fantatra na marina izay filazàna izay na nentin’izy ireo nampihorohoana olona fotsiny. Inoana fa mety mbola hitohy ny fanadihadiana ahafantarana ny marina mahakasika izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici