- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFandratrana sy fikasàna hamono olona : Vehivavy vadina pasitera iray nosamborin’ny zandary

Fandratrana sy fikasàna hamono olona : Vehivavy vadina pasitera iray nosamborin’ny zandary

Vehivavy iray, 28 taona, nihosin-drà, voarasarasa tarehy, tsy nisy sofina intsony nohitan’ny mpitandro filaminana teo am-povoan-tranon’ny mpitondra fivavahana iray tao Mangidirano, fokontany Andranomirafy, distrika Fenoarivobe, ny alahady lasa teo. Rehefa nisy ny famotorana nataon’ireo zandary dia fantatra fa ny vadin’ilay pasitera no nahavano-doza. Mpino tao amin’io toeram-pivavahana io ihany ity vehivavy nihoson-drà ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia naratra mafy ny tenany saingy mbola nisy aina ary nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany antoandro teo no nisy nampandre ny tobim-paritry ny zandary ao Fenoarivobe fa misy olona naratra mafy tao an-tranon’ny mpitondra fivavahana iray ao an-toerana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nidina tany an-toerana, ary nahita tokoa io vehivavy io, nivalampatra sy feno rà teo am-povoan-trano. Araka ny fitsirihana nataon’ireo zandary dia voalaza fa tsy teo intsony ny ravin-tsofiny anankiroa, voarasara tamin’ny zava-maranitra ihany koa ny molony ambony sy ny takolany havanana ary ny firifany havia. Tsy vitan’izay fa nahitàna mangana teo amin’ny tendany, toy ireny nokendaina ireny. Raha zava-nisy, hoy hatrany ny vaovao dia mety nokasaina hovonoina mihitsy ity vehivavy ity, rehefa avy nampijalijaliana, saingy mbola nisy aina moa izy tamin’ny fahatongavan’ireo mpamonjy azy. Tsy tazanan’ireo zandary tao an-toerana intsony moa izay olona tompon’antoka tamin’izany zava-doza izany. Rehefa natao teo ny fanadihadiana tsotsotra dia fantatra fa ny vadin’ny tompon-trano no voalaza fa nahavita izany. Noezahina nokarohina teo no eo ihany ity farany ary fotoana fohy taorian’izay dia tratra teny Mangidirano. Ny famotorana savaranonando, hoy hatrany ny vaovao no niaiken’ity ramatoa vadina pasitera ity ny vono olona nokasainy natao. Hatreto kosa dia tsy fantatra mazava izay tena antony nanosika an-dramatoa hanao izany. Marihana fa taorian’ny nahatraratrana azy dia nentina avy hatrany hatao famotorana any Tsiroanomandidy ny tenany. Izany hoy ny vaovao azo dia mba ho fiarovana azy sy hisorohana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici