- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversFandravan-trano : Rangahy iray matin’ny aretim-po

Fandravan-trano : Rangahy iray matin’ny aretim-po

Rangahy iray, mananika ny 50 taona no nindaosin’ny fahatesana, afakomaly maraina, teny Ankadimbahoaka. Isan’ireo rava trano teny an-toerana ity rangahy ity ary nipetraka tao anaty trano lay hatreo. Nanomboka tamin’io fotoana io no nokikisan’ny aretim-po ity raim-pianakaviana ity ary io nindaosin’ny fahafatesana afakomaly io. Tonga teny an-toerana ny filoha Nasionalin’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, niaraka tamin’ny mpikambana maromaro omaly, nitsapa alahelo ny fianakaviana. Araka ny voalazany dia maro amin’ireo mponina rava trano, mipetraka anaty trano lay ireo amin’izao fotoana izao no mitolona amin’ny aretina mianjady amin’izy ireo. Ity fikambanana ity, izay miahy manokana ny sosialim-bahoaka, dia tsy mitsahatra manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, hijery akaiky ireto olona eny Ankadimbahoaka ireto. Hatreto mantsy, araka ny filazany, hatramin’ny naharavan’ny tranon’izy ireo, dia tsy mbola nisy nijery izy ireo. Ambonin’izay, dia efa manomboka miakatra ny rano eny amin’iny faritra misy an’ireo olona rava trano ireto, araka ny filazany hatrany. Tazana nitsapa alahelo sy nanotrona ireo fianakaviana tamin’ny famoahana ny razana Ing. Alain Ramaroson.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser