- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFandresen’ny Barea : Fiakaran’ny tosidrà, lany ny ananambo teny an-tsena teto Toamasina

Fandresen’ny Barea : Fiakaran’ny tosidrà, lany ny ananambo teny an-tsena teto Toamasina

Nampiakatra ny tosidrà tamin’ireo mpitia baolina kitra tanteraka ny lalao baolina kitra nataon’ny Barean’i Madagasikara, ny alahady teo iny. Indrindra tamin’ilay faniriana hoe handresy, kinanjo lasa sahala 02 noho 02 tampoka ny baolina, tao anatin’ny 90min nilalaovana, nefa efa nihoraka fandresena ny mpitia baolina.

Raha teny an-tsena vokatr’ izany, dia nilaza mihitsy ity mpivarotra anana iray tao Bazary be, fa nandeha be tsy nisy ohatr’ izany ny anana, indrindra ny ananambo namidiko androany , noho iny lalao baolina kitra iny. Nampihetsi-po ny Malagasy mantsy ilay lalao, satria vao sambany no miditra amin’ny lalao CAN ny  Malagasy, no sady miady izany ampahefa-dalan’ny lalao izany. Hatreto aloha tsy mbola nahenoana olona namoy ny ainy ny teto Toamasina, fa io  fiakaran’ny tosidrà io no maro tamin’ny mpankafy raha ny angom-baovao natao. Raha ny teto Toamasina, dia feno hipoka mpijery ny “ecran géant” nataon’ny orinasa SMMC eo anoloan’ny Lapan’ny Tanana, ny alahady alina, ary nivadika ho alim-padihizam-bahoaka izany taorian’ny fiafaran’ny lalao.

Ny horakoraka eran’ny Tanàna tsy ferana intsony, saingy nanao ny asany ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fandaminana ka nilamina tsara tsy nisy rahoraho izany hafalian’ny favoaka izany. Tahaka izany koa no niseho tao Fenerivo atsinanana, araka ny fampitam-baovao azo. Feno hipoka ny fahitalavitra goavambe napetraka teo anoloan’ny biraon’ny Tvm-Rnm tany an-toerana, nanarahan’ny olona ny baolina, ka na ireo nanana ny fahitalavitra  tao an-trano aza naleon’izy ireo nivoaka niara-naka izany tamin’ny Malagasy rehetra teny an-dalam-be.

Fandresen’ny Malagasy rehetra ny  nataon’ny Barea ka ny Malagasy rehetra fa tsy misy tompony ny fampirisihana ny Barea ho lasa lavitra kokoa ary hibata ny amboara voalohan’ny CAN amin’ity taona 2019 ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici