- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFandriampahalemana nandritra ny fifidianana : « Nilamina tamin’ny ankapobeny”, hoy ireo mpitandro...

Fandriampahalemana nandritra ny fifidianana : « Nilamina tamin’ny ankapobeny”, hoy ireo mpitandro filaminana

Nidina ifotony mihitsy hatramin’ireo mpitarika eo anivon’ireo mpitandro filaminana telolafy (Emmo), ho fitandroana ny fandriam-pahalemana, nandritra ny andron’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna, natao omaly. Araka ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety, nandritra ny  tontolo andron’ny omaly tetsy Ampefiloha, dia fantatra fa “nilamina tamin’ny ankapobeny ny fifidianana”. Nilaza ny Jly Florens avy amin’ny Emmo/Far, raha ny mikasika manokana an’Antananarivo fa “ambonin’ireo tsy fetezana madinidinika nitranga tetsy sy teroa dia tsy nisy hatreto aloha, tranga goavana, nety nanohintohina izany fizotry ny fifidianana izany”. Nitondra fanazavàna ihany koa ny tenany mikasika ilay zava-niseho teny amin’ny faritra Ivato iny. “Nisy vaovao azonay mikasika ny fisian’ny olona nahatonga korontana, satria nahatratrarana vato efa vita marika teny aminy. Rehefa nidina teny ireo mpitandro filaminana dia tsy nisy anefa io zavatra io”, hoy izy. Raha ny zava-niseho eran’i Madagasikara indray dia nanazava ny zava-misy ny Jly Anthony avy amin’ny Emmo/Nat, ny momba ny tranga niseho tao Fianarantsoa. Raha ny tao amin’ny kaominina ambonivohitra Fianarantsoa manokana, hoy izy, dia fandikàn-dalàna tanteraka no nataona kandidà iray tao an-toerana, tamin’ny alalan’ny fanapotehana ny trano fisainana, ka tsy maintsy niditra an-tsehatra ny Emmo. Efa mandeha ny famotorana mikasika izany, raha ny fantatra ary mbola voatazona any an-toerana ilay kandidà. “Misy ihany koa ny trangana fampihorohoroana sy ny tariny any rehetra any, fa efa mandray an-tanana sy am-panaovana famotorana ny mpitandro filaminana”, hoy hatrany ity manamboninahitra ity. Marihina fa nitondra paik’ady manokana mihitsy ireto Emmo ireto, ho fitandroana ny fandriam-pahalemana sy ny hizoran’ny fifidianana ara-dalàna. Mpitandro filaminana eo amin’ny 1500 eo no naparitaka raha ho an’ny renivohitra fotsiny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici