« Tsy mikely soroka ny Foibe fitsàrana fiarakodia manoloana ireo tranga tsy fanarahan-dalàna maro samihafa indrindra ireo tsy fahatomombana ara-teknika tsikaritra anaty fifamoivoizana an-dalambe izay ahiana hitera-doza na hampidi-doza ny hafa. », hoy ny fanazavana avy amin’ny DGSR omaly nanoloana ny mpanao gazety. Noho izany indrindra mba ho fisorohana ny trangana lozam-pifamoivoizana, dia nisy ny fanentanana sy fampahatsiahivana ireo lalàna samihafa mifehy ny fifamoivoizana ary ireo andraikitra sahanin’ireo mpitandro filaminana toy ny zandary sy polisy miasa eto Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano sy Atsimondrano. Nanao ny fisavana ireo fiara eny an-dalana na « Police de la route » nanomboka ny 17 hatramin’ny 24 may lasa teo izay nataon’ireo Teknisianina avy amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) notarihian’ny Lietnà-Kolonely, lehiben’ny Sampan-draharaha ny hetsika sy ny fitsirihana ara-teknika an-dalambe. Izao hetsika izao dia tafiditra indrindra ho fanamafisana ny asa sahanin’ny tsirairay sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny DGSR, ny zandary ary ny polisim-pirenena ka nisitraka izany ireo zandary miasa ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, Imerina Centrale ary ny Tana/Ville sy ireo polisy avy ao amin’ny Commissariats Centraux Tsaralalana, Sabotsy Namehana ary Tanjombato. Ny tany amin’ny Faritra sy ireo renivohim-paritany teo aloha dia nisitrika toy izao ihany koa tamin’ny alalan’ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia misy manerana ny Nosy. « Ny tanjona tamin’izao fifampizarana izao dia ny fampiaharana ny lalàn’ny fifamoivoizana manoloana ireo trangana tsy fanarahan-dalàna hita eny an-dalambe sy ho fisorohana mialoha ny lozam-pifamoivoizana. Nisitraka ny fiofanana momba ny familiana ireo kodiaran-droa ieren-doza ihany koa ireo mpiofana izay narahana fifanakalozan-kevitra ho fanatsarana ny asa », hoy ny fanazavana hatrany. Samy naneho ny fahavononany ireo zandary sy polisy amin’ny fampiharana ny fiofanana azony sy ho fanatanterahana ny tagnamaron’ny fandriampahaleman’ny fifamoivoizana sy fifanampina amin’ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany ao anatin’ny fisorohana ireo lozam-pifamoivoizana izay tsapa fa namoizana ain’olona maro tato ho ato, indrindra fa ny kodiaran-droa. Ny Foibe fitsarana fiarakodia dia manentana hatrany ny tompona fiara amin’ny fikojakojana tsy tapaka sy fanamboarana ireo fiarakodia indrindra ny ara-tekinika hisorohana ny loza vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika satria.
Yv Sam
Mba tiako ho fantatra hoe firy ny contraventions mety ho voazara mandritr’ity hetsika ity: 30? 10? 5?…