- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFandriana : Fanapotehana ny fantsona ao anatin’ny siniben-drano

Fandriana : Fanapotehana ny fantsona ao anatin’ny siniben-drano

Na dia eo aza  ny fitondram-panjakana amin’ny ezaka atao  ho fanomezana rano  ho an’ny vahoaka, dia tsapa  fa mbola misy ihany ireo  andian’olona mitady hanapotika ireo fotodrafitrasa famatsian-drano efa mijoro. Tapaka tao anatin’ny fotoana tsy voafetra ny  rano mamatsy ny fokontany maromaro ao  amin’ny kaominina ambonivohitra  Fandriana. Izany dia vokatry ny asan-jiolahy nataon’ireo mpanao ratsy, ny asabotsy alina nifoha ny alahady teo. Lasibatra tamin’izany ny sinibendrano ao Antsenakely (ambonin’ny abattoire). Tonga nijery ny zava-misy eny an-toerana ny ben’ny tanàna sy ireo tomponandraikitra mahefa, ka nandray ny fepetra avy hatrrany.

“Tsy ekena ny fanimbanana fananam-bahoaka toy itony “,  hoy ny ben’ny tanàna, izay nametraka ny fitoriana ary nanentana ny vahoaka manontolo mba ho saro-piaro  amin’ny  fananana  iombonana.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici