- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFandrindrana ny fifamoivoizana : Hiara-hiasa ny kaominina sy ny polisim-pirenena

Fandrindrana ny fifamoivoizana : Hiara-hiasa ny kaominina sy ny polisim-pirenena

BC-04Ho hentitra ary  hamafisina ny fandrindrana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra amin’izao an-katoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. Hiara-hiasa akaiky mantsy ny polisim-pirenena sy ny polisy monisipaly, ka tsy handeferana ireo mpamily tsy manara-dalàna, indrindra ny “taxi-be” sy ny “taxi”. Hesorina ihany koa ireo fiara mijanona an-tsisin-dàlana,izay isan’ny miteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Handraisana fepetra ihany koa ireo mpivarotra amoron-dàlana midina anaty arabe, ary hentanina ihany koa ny mpandeha an-tongotra mba hiakatra amin’ny toerana natokana ho azy ireo. Ireo no fanapahankevitra lehibe noraisina taorian’ny fifanaraham-piaraha-miasa,nisy teo amin’ny kaominin’Antanananrivo sy ny ministeran’ny filaminana anatiny. Ankoatra izay dia hisy ny fametrahana ny “caméra de surveillance” eny amin’ireo toerana be mpandeha mba hahafahana maharaka ny vaovao ara-potoana ka hahafahana manao ny “intervention”.

A.R.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser