Notololorana « Certificat », omaly ireo polisy mpandrindra ny fifamoivoizana miisa 35 avy niatrika fiofanana. Polisy miasa amin’ireo « arrondissement » valo eto Antananarivo renivohitra. Lohahevitra efatra no nanofanana azy ireo, dia ny fampahatsiahivana ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana, famerenana ireo fihetsika tsy maintsy atao rehefa mandrindra ny fifamoivoizana, ny fahaizana miresaka sy mandray olona eo am-panatanterahana ny asa, ary ny ady amin’ny kolikoly. Araka ny fanambarana nataon’ny Talen’ny fiofanana Mitohy sy ny Fikarohana, ny commissaire principal de police Randriambelo Mandimbin’ny Aina Mbolanoro, dia natao izao fiofanana izao mba hanatsarana ny fomba fiasan’ny polisim-pirenena hanomezana fahafaham-po ny vahoaka. Ny Tale jeneralin ‘ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police Andriamampionona Jean Rolland no namarana ny fiofanana tamin’ny fomba ofisialy, nanafatrafatra ireto polisy nanaraka fiofanana fa izy ireo no fitaratra itarafan’ny olona ny Polisim-pirenena noho izy ireo mifampikasoka mivantana amin’ny vahoaka eny an-dalambe eny ka tokony hampiseho toetra mendrika eo am-panatanterahana ny asa.
Polisy mpandrindra ny fifamoivoizana miisa 183 no efa nanaraka fiofanana ka ity andiany avy amin’ireo « Arrondissements » ity no farany.